1Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»
2Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin’ny folo sy ôrza enin-jato litatra ny vadiko.
3Ary hoy aho taminy: «Mandritra ny andro maromaro dia hijanona ato an-tranoko ianao, ka tsy hivaro-tena na hanitsakitsaka ahy amin’ny olon-kafa intsony. Izaho koa ho toy izany aminao.»
4Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.
5Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.