1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.
2Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô,
endrey ny fitiavako ny tranonao!
3Efa tsindrian-daona sady manina aho
te ho ao an-kianjan’ny tempolinao.
Ny tenako iray manontolo no mihoby
an’ilay Andriamanitra velona.
4Na ny tsikirity aza, mahita fialofana,
ny sidintsidina koa mahita akany
mba hametrahany ny zanany,
eo anilan’ny alitaranao,
ry TOMPOn’izao rehetra izao ô,
Mpanjakako sady Andriamanitro.
5Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao
ka afaka midera Anao hatrany!
Fiatoana
6Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao
ka manampo hanao fivahiniana any Tsiôna;
7Rehefa mandalo ny lohasahan’ny Balsama izy,
dia hasian’Andriamanitra loharano izany;
sady avy koa ny loha orana
hameno kamory azy.
8Mitombo hery hatrany izay arakaraka ny androsoany
mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ao Tsiôna.
9Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô,
mba henoy ny vavaka ataoko;
ry Andriamanitr’i Jakôba ô, mandrenesa.
Fiatoana
10Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka
izay toy ny ampinga miaro anay;
tsinjovy ilay olona voahosotrao.
11Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao
dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa;
koa eo am-baravaran’ny tranonao
no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô,
toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.
12Eny, ny TOMPO Andriamanitra
no manda sy ampinga ho antsika.
Fitiavana sy voninahitra no omen’ny TOMPO;
tsy mba misy zava-tsoa laviny
amin’izay madio fitondrantena.
13Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô,
sambatra ny olona mitoky aminao!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.