Zakarià 11 - Malagasy Bible

Ny faharavàn’ireo firenena matanjaka

1Vohay ny varavaranao, ry Libano ô!

ary aoka ny afo handevona ny sederanao!

2Midradradradra, ry kipresy,

fa efa nazera ny sedera,

dia ireo hazo mahafinaritra nijoalajoala.

Midradradradra, ry hazo ôkan’i Basàna,

fa ripaka ny ala mikitroka.

3Henoy ny fidradradradran’ny mpiandry firenena

fa nihintsana ny voninahiny.

Henoy ny fieroneron’ny liona,

fa rava ireo kirihitrala nireharehany

teny amoron’ny ony Jôrdàna.

Ny mpiandry roa

4Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitro tamiko:

–Meteza ianao ho mpiandry ireo ondry hovonoina.

5Fa ny mpividy mamono azy dia tsy mihevi-tena ho meloka; ary ny mpivarotra azy kosa manao hoe: «Hisaorana anie ny Tompo fa manan-karena izahay!» Ary na dia ireo mpiandry azy aza tsy mba niantra azy.

6Izaho Tompo dia manao teny hentitra fa tsy hiantra ny mponin’ny tany intsony Aho. Indro fa hatolotro ho eo am-pelatanan’ny namany sy ny mpanjakany avy ny olona. Ary handroba ny tany ireo nefa tsy hanafaka olona amin’izany Aho.

7Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.

8Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.

9Dia hoy aho taminy:

–Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!

10Dia noraisiko ilay tehiko hoe «fihavanana» ka notapahiko mba hahafoana ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Tompo tamin’ny firenen-drehetra.

11Dia foana tamin’izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin’izay nataoko.

12Ary hoy aho tamin’ireto mpanondrana ondry:

–Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany.

Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.

13Ary hoy ny Tompo tamiko:

–Ento any amin’ny mpandrendrika azy izany volabe nanombanany Ahy izany!

Dia noraisiko ny sekela volafotsy telopolo ka nentiko tany amin’ny mpandrendrika tao an-tranon’ny Tompo

.

14Avy eo dia notapahiko koa ilay tehina «Firaisankina», hanafoanana ny firalahian’i Joda sy i Israely.

15Ary hoy indray ny Tompo tamiko:

–Raiso ankehitriny ny toeran’ny mpiandry adala.

16Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony.

17Lozan’ny mpiandry adala

izay mandao ny ondriny!

Enga anie ny sabatra handrotika ny sandriny

sy hanapotsitra ny masony ankavanana!

Ka dia halemy hatrany anie ny sandriny,

ary tsy hahita intsony ny masony ankavanana!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help