1Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:
2«Amin’ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany,
dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko;
noho izany, dia hampamoahako anareo
ny fahadisoana rehetra nataonareo.»
Tsy manam-pidiny ny mpaminany3Hiara-dalana ve ny olon-droa,
raha tsy efa nifanaiky?
4Hanerona ao anaty ala ve ny liona,
raha tsy mahita remby?
Hanerongerona ao an-davany ve ny liona tanora,
raha tsy misy zavatra azony?
5Voan’ny fandrika amin’ny tany ve ny vorona,
raha tsy nisy sakafo nisarika azy?
Mikatona ve ny fandrika-harato
raha tsy mahazo zavatra?
6Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra,
ka tsy hisahotaka ny vahoaka?
Misy loza ve ao an-tanàna,
raha tsy ny TOMPO no nanao azy?
7Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY,
raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany
amin’ireo mpaminany mpanompony.
8Ny liona no nierona,
ka iza no tsy hatahotra?
Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny,
ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?
Ny fitsarana an’i Samaria9Ataovy re eny an-tafon-tranon’ireo lapa ao Asdôda
sy eny an-tafon-tranon’ireo lapa any Ejipta,
ka lazao hoe:
«Mivoria eny an-tendrombohitr’i Samaria ianareo,
ka jereo ny korontana marobe eo anivony
sy ny famoretana mihatra ao anatiny.»
10Fa izao no teny hentitry ny TOMPO:
«Tsy nahalala hanao asa marina ry zareo;
zavatra vokatry ny herisetra sy ny fandrobana
no angoniny ho ao an-dapany.»
11Noho izany, ry Samaria,
izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:
«Hohodidinin’ny fahavalo ny taninao,
harodany hiala aminao ny mànda-fiarovanao,
ary horobainy ireo lapanao.»
Famonjena mampalahelo12Izao no lazain’ny TOMPO:
«Rehefa misy ondry azon’ny liona,
dia tongotra roa na sombin-tsofina
no tsoahan’ny mpiandry ondry
avy eo am-bavan’ny liona;
toy izany ny amin’ireo Israelita
izay mipetraka ao Samaria,
eo an-joron’ny saofà
na eo ambony fandriana malemilemy:
Vitsivitsy ihany no hovonjena.»
Fampitandremana13Henoinareo ka ambarao amin’ny taranak’i Jakôba:
ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY,
dia ilay Andriamanitr’izao rehetra izao:
14«Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny helony,
dia horavako ireo alitara ao Betela;
hopotehiko ny tandroky ny alitara isanisany,
ka hianjerazera amin’ny tany.
15Hazerako ny trano ririnina sy trano fahavaratra,
ary ho simba ny trano miravaka ivoara
sady ho fongana ny trano miezinezina.
Teny hentitry avy amiko TOMPO izany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.