Ohabolana 30 - Malagasy Bible

Tenin’i Agora

1Teny manan-danja nataon’i Agora zanakalahin’i Jake.

Izao no teny hentitra nambaran’izany lehilahy izany

tamin’i Itiela, dia tamin’i Itiela sy i Okala:

2Eny, dondrona toa biby aho raha samy olona,

fa tsy mba manana izay fahaizan’olombelona akory.

3Tsy nianatra fahendrena na oviana na oviana aho,

saingy nahazo ny fahalalan’ireo olo-masina.

4Iza no efa niakatra tany an-danitra

ka nidina avy tany indray?

Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany?

Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany?

Iza no nandraikitra ny faravazan-tany rehetra?

Iza no anarany? Iza no anaran-janany?

Ambarao raha fantatrao.

5Voazaha toetra avokoa ny tenin’Andriamanitra.

Toy ny ampinga Izy ho an’izay mialoka aminy.

6Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny,

fandrao hofaizin’Andriamanitra ianao

ka hiharihary ny maha mpandainga anao.

7«Zavatra roa no angatahiko aminao, Andriamanitra ô,

ka aza lavina alohan’ny hahafatesako.

8Alao amiko ny fitaka sy ny lainga

ary aza omena fahantrana aho na koa harena,

fa izay hanina sahaza ahy ihany omena ahy.

9Fandrao ho tototra harena aho, dia handà Anao

ka hahateny hoe: ‹Fa iza moa ny TOMPO?›

na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra

ka hanala baràka ny anaran’Andriamanitro».

10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony,

fandrao hozoniny ianao ka hiharam-pahavoazana.

11Misy karazan’olona izay manozona ny rainy

ary tsy mba mirary soa ho an-dreniny.

12Misy karazan’olona izay mihevi-tena ho madio,

nefa tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.

13Misy karazan’olona izay fatra-pianjonanjona

sady manana fijery miandranandrana.

14Misy karazan’olona izay manana toetra lozabe

fa toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany.

ka vonona izy hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany

ary koa ny mahantra tsy ho eo anivon’ny olona.

Ohabolana momba ny isa

15-16Manan-janakavavy roa ny dinta

izay samy manao hoe: «Omeo! Omeo!»

Misy zavatra telo tsy mety afa-po

sady tsy mba manao hoe: «Aoka izay!»

dia ny fonenan’ny maty,

sy ny kibo tsy niteraka,

ary ny tany tsy vonton-drano;

kanefa misy koa zavatra fahefatra,

dia ny afo izay tsy mba manao hoe: «Aoka izay!».

17Ny olona izay miandranandrana amin-dray

sy mamingavinga ny fahanteran-dreny

dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony

ary hohanin’ny voromahery ny tenany.

18-19Misy zavatra telo tsy fantatro sady tsy takatro,

dia ny fanidin’ny voromahery eny ana habakabaka

sy ny fandadin’ny bibilava eny amin’ny vatolampy

ary ny fizotran’ny sambo eny afovoan-dranomasina;

kanefa misy koa zavatra fahefatra,

dia ny firaikan’ny tovolahy amin’ny tovovavy.

20Toy izao no fomban’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady:

misesika remby izy, dia mamafa vava

ary miteny hoe: «Tsy nanao ratsy aho!»

21-23Misy zavatra telo mampikorontana tany,

sady tsy azony leferina,

dia ny andevo izay tonga mpanjaka

sy ny adala izay miletra hanina

ary ny vehivavy fanganga izay manambady;

kanefa misy koa zavatra fahefatra,

dia ny mpanompovavy mandimby tompovavy.

24Misy karazam-biby efatra

tena bitika etỳ ambonin’ny tany

saingy manam-pahendrena mampitolagaga:

25dia ny vitsika, izay andiam-biby tsy matanjaka,

nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra;

26ny marmôta, izay andiam-biby tsy manan-kery,

nefa mahavita trano eny amin’ny harambato;

27ny valala, izay tsy mana-mpanjaka,

nefa hain’izy rehetra ny miainga manao andiany;

28ny androngo, izay azo samborin-tanana,

nefa tonga hatrany an-dapan’ny mpanjaka.

29-31Misy zava-miaina telo

izay tsara famindra sy miedinedim-pandeha:

dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby

ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona;

sy ny soavaly izay manana andila-mihantsika,

ary ny osilahy;

kanefa misy koa fahefatra,

dia ny mpanjaka eo alohan-tafika.

32Raha niadaladala ka nanandra-tena ianao

ary raha mba nieritreritra kosa avy eo,

dia tampeno ny vavanao mba tsy hiteny!

33Fa fikapohan-dronono no manome dibera,

famelezana ny orona no mampivoa-dra,

ary fanetseham-pahatezerana no miteraka ady.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help