Jôba 33 - Malagasy Bible

Ny fonjan-kevitr’i Elihò: Mampitandrina ny olona Andriamanitra

1Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko

ary mampandria sofina amin’ny teniko rehetra.

2Indro efa hanoka-bava aho

fa efa mby eo an-delako ny teny.

3An-kitsimpo tanteraka no hitenenako

ka dia hilaza ny tena marina aho.

4Fa Fanahin’Andriamanitra no nahariana ahy

ary fofonain’ilay Tsitoha no mamelona ahy.

5Valio aho, raha azonao atao;

omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.

6Fa mitovy isika eo anoloan’Andriamanitra:

tanimanga no samy namolavolana antsika.

7Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao,

ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.

*

8Reko ary mbola ato an-tsofiko

ny feon’ny teninao manao hoe:

9«Tsy manan-tsiny aho ary tsy manan-keloka,

madio ary tsy manam-pahadisoana.

10Nefa Andriamanitra dia mbola mahita

zavatra hokianina amiko ihany

ary mihevitra ahy ho fahavalony.

11Tsy mamela ahy handeha an-kalalahana Izy

fa mitsikilo ny fihetsiko rehetra.»

12Izany, hoy aho, no mahadiso anao, ry Jôba;

satria lehibe loatra Andriamanitra

hany ka tsy azon’ny olona ifanandrinana.

13Koa nahoana Izy no iadianao

rehefa tsy mamaly izay fanontanianao?

*

14Na dia miteny aza Andriamanitra

ka mamerimberina izany, dia tsy misy miraika.

15Rehefa sondrian-tory amin’ny alina ny olona

ka renoka tanteraka eo am-pandriany,

dia amin’ny nofy sy fahitana

no fomba itenenan’Andriamanitra;

16anaovany fanambaràna ireo amin’izay,

ary asiany tombokase ny fampitandremany,

17mba hampiala azy amin’ny fanaony

sy hampifady azy ny fiavonavona.

18Toy izany no iarovan’Andriamanitra ny olona

tsy ho hankany amin’ny fahaverezana

ary amonjeny ny ainy tsy hiharan-tsabatra.

*

19Anarin’Andriamanitra koa izy

amin’ny fanaintainana eo am-pandriana

rehefa ampangovitin’ny tazo tsy misy farany.

20Mankaloiloy azy ny sakafo amin’izany;

tsy mampahazoto homana azy izay hanim-py.

21Mihamahia izy ka ny nofony tsy misy hojerena;

fa ny taolany tsy hita taloha no mitranitrany.

22Efa mihamanatona ny fasana izy,

ary ny ainy efa ho an-tanan’ny mpaka azy.

23Raha misy anjely iray ao anatin’ny arivo

tonga mba hanampy io olona io

ka hampahafantatra azy ny adidiny,

24dia hiantra azy ilay anjely

ka hanao amin’Andriamanitra hoe:

«Aza avela hidina any am-pasana izy,

fa efa nahita avotra ho azy aho.»

*

25Dia hihatanora indray ny tenan’ilay narary teo

ka hiverina amin’ny andro mahazatovo azy.

26Mivavaka amin’Andriamanitra izy

ary mahazo sitraka aminy;

am-piravoravoana no anatrehany tava

an’Ilay manolotra fahafahana ny olona.

27Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe:

«Efa nanota aho fa nandika ny rariny;

nefa tsy arakaraka ny nataoko

no namaizan’Andriamanitra ahy.

28Nanavotra ahy tsy hidina any am-pasana Izy

ka velona sy mahita ny mazava aho!»

*

29Izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra

indroa na intelo tamin’ny olona,

30mba hamerenany azy tsy ho any am-pasana

sy hanazavany azy amin’ny fahazavan’ny velona.

31Tandremo, ry Jôba, ka henoy tsara aho;

mangina kely aloha fa izaho mbola hiteny.

32Kanefa raha manana havaly ianao, dia lazao;

mitenena, fa satriko hanana ny marina ianao.

33Raha tsy misy havalinao kosa, dia henoy aho;

mangina tsara ianao, fa hampianariko fahendrena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help