1Ary ny Tompo niteny tamiko mba hivetso izao tononkiram-palahelovana izao ny amin’ireo andrianan’i Israely
2ka hanao hoe:
«Ny reninareo ve? Toy ny liom-bavy izy
no namitsaka teo afovoan’ireo lion-dahy!
Teo anivon’ny liona tanora izy
no nitorovoka nampinono ny zanany.
3Nanabe ny anankiray tamin’ireo izy;
ka nony liona tanora matanjaka io,
dia nianatra namiravira haza
sady nihinana olona.
4Nahare ny lazany ny hafa firenena
dia namandrika azy hatao anaty lavaka,
ary nanisy farango vy tamin’ny orony
sy nitondra azy nankany Ejipta.
5Rehefa tsapan’ilay liom-bavy
fa foana sy levona ny fanantenany,
dia nalainy ny iray hafa tamin’ireo zanany
ka notezainy ho tonga liona tanora matanjaka.
6Niriaria teo anivon’ny lion-dahy izy io,
ka nony tonga liona tanora matanjaka,
dia nianatra namiravira haza ihany koa
sady nihinana olona.
7Namotika ny lapan’ireo izy
ary nandrava ny tanànany.
Raiki-tahotra ny mponina teo amin’ny tany,
raha vao nandre ny fieronerony.
8Koa ireo hafa firenena manodidina,
avy amin’ny faritra samihafa,
dia nivondrona hamely azy
ka namelatra harato hahazoana azy
ary namandrika azy hatao anaty lavaka.
9Nasiany farango vy tamin’ny orony izy,
dia nohidiny tao anaty vata makarakara
ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna;
dia nataony an-tranomaizina izy
mba tsy ho re mieronerona intsony
eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.»
Tononkiram-palahelovana ny amin’ny voaloboka10«Ny reninareo dia tahaka ny voaloboka iray
nambolena teo amoron-drano.
Nilonjehitra voa sy nanaroka izy
noho ny rano be nanondraka azy,
11ka nisy rantsana mafy
azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy;
dia nisondrotra avo nitehi-drahona izy,
ka nikoizana noho ny haavony
mbamin’ny hamaroan’ireo rantsany.
12Kanefa nongotana an-katezerana izy
ka natsipy tamin’ny tany.
Ny rivotra avy atsinanana
no nahamaina ny voany
ka nampihintsana azy.
Nihamaina koa ny rantsany mafy
ka natao levon’ny ao.
13Ankehitriny izany voaloboka izany
dia voavoly any an-taniefitra
ao amin’ny tany maina sy karankaina.
14Nisy afo nivoaka avy tao amin’ny tahony
ka nandevona ny rantsany sy ny voany;
dia tsy misy intsony rantsana mafy
azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy.»
Tononkiram-palahelovana izany
ka tokony hohiraina amin’alahelo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.