Isaià 59 - Malagasy Bible

Ny efitra mampisaraka ny Tompo sy ny vahoakany

1Tsia, tsy fohy ny tanan’ny TOMPO fa mahavonjy,

tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare.

2Saingy ny helokareo no mampisy efitra

manelanelana anareo amin’Andriamanitrareo

ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava,

ho lavitra anareo ka tsy mahahaino anareo.

3Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo

ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo;

lainga sy fanaratsiana

no afafin’ny teninareo.

4Tsy ara-drariny no itorianareo olona,

tsy araka ny toetra mahatoky

no iadianareo am-pitsarana;

porofo tsy azo antoka no ianteheranareo,

zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo;

torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.

5-6Toa atodin’ny menarana no kotrehin’ny fikasanareo,

ka izay manandrana amin’ireny dia maty:

vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao.

Toa ladin-kala ny lamba tenominareo

ka tsy natao hotafîna na hirakofana izany

satria zavatra mampidi-doza.

Herisetra no asa vokarin’ny tananareo.

7Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy

ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny.

Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo;

fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.

8Tsy fantatrareo ny lalan’ny fiadanana,

ary tsy misy rariny eo amin’izay andalovanareo;

lalana miolakolaka no tianareo hosoritana,

ka tsy hahita fiadanana izay mandia izany.

Miaiky hadisoana ny vahoakan’Andriamanitra

9Noho izany, dia lavitra antsika ny rariny

ary tsy tonga amintsika ny hitsiny.

Nanantena hahita fahazavana isika,

kanjo indro haizina mikitroka;

hazavàn’ny maraina no nandrandraintsika,

kanjo haizim-pito no andehanantsika.

10Mandeha mitsapatsapa manara-drindrina

toy ny olona jamba isika

ary miraparapa toy ny tsy mana-maso.

Antoandro mitataovovonana dia tafintohina isika

tahaka ny efa amin’ny maizimaizina;

ary salama be izao isika nefa toy ny olona maty.

11Mierona sahala amin’ny orsa isika rehetra

na mitolokoloko tahaka ny voromahailala.

Nanantena ny rariny isika, nefa tsy nisy;

niandrandra famonjena, nefa lavitra antsika izany.

12TOMPO ô, imbetsaka izahay

no efa nikomy taminao tokoa;

miampanga anay ny helokay

ary manjohy anay ny otanay,

ka fantatray tsara ny hadisoanay.

13Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay

ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray.

Famoretana sy fikomiana no resakay

ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po

sy avoakan’ny teny ataonay.

14Noho izany, dia mihemotra ny rariny

ary mijanon-davitra ny hitsiny,

satria eny an-kianja malalaka

no voatohintohina ny fahamarinana

ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po.

15Tsy eo tokoa ny fahamarinana;

ary izay miala amin’ny ratsy

dia mitolo-tena ho voaroba.

Mirotsaka an-tsehatra ny Tompo

Hitan’ny TOMPO izany rehetra izany,

ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.

16Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory,

gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana;

koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy

ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.

17Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo

ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena

ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha.

Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany

ary ny fitiavana miredareda manentana Azy

no toy ny lamba nisalorany.

18Hamaly ny olona araka ny nataony Izy,

dia valifaty mirehidrehitra tokoa

ho an’ny mpanohitra Azy sy ho an’ny fahavalony;

hatramin’ireo any amin’ny nosy lavitra aza!

dia hiharan’izany valifaty izany.

19Amin’izay dia hohajaina ny anaran’ny TOMPO

hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro

ka hatrany amin’ny filentehany;

hohajaina ny fanatrehany be voninahitra,

rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria

asesiky ny tafio-drivotra goavana.

20Ho avy ny TOMPO hanavotra an’i Tsiôna

sy hanavotra ireo anisan’ny firenen’i Jakôba

miala amin’ny fahadisoany.

Izany no teny hentitry ny TOMPO.

21Dia hoy koa ny TOMPO hoe: «Izaho kosa hanao izao fanekempihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin’ny zanakareo na amin’ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help