Isaià 62 - Malagasy Bible

Ilay Jerosalema vaovao

1Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiôna ô,

ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema,

mandra-piposaky ny fanafahana anao

ho tahaka ny masoandro mamiratra,

ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao

ho tahaka ny fanilo mirehitra.

2Ny firenen-kafa hahita ny fanafahan’ny Tompo anao

ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao;

anarana vaovao no hiantsoana anao,

dia izay hotononin’ny vavan’ny TOMPO.

3Eo an-tanan’ny TOMPO Andriamanitra

dia ho tonga satroboninahitra mamirapiratra

sy hanjary diademan’ny mpanjaka ianao.

4Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy»

ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»;

fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO»,

ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.»

Satria ho sitraky ny Tompo ianao

ary ny taninao hanana vady mpampakatra.

5Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady,

dia hampakatra anao toy izany koa

ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema;

ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra

amin’ny tovovavy ampakariny

no hifalian’ilay Andriamanitrao aminao.

6Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina

eny ambonin’ny mandanao eny,

ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina:

«Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO,

aza mitsaha-manao izany ianareo!

7Aza avela hitsahatra Izy

mandra-panarenany azy indray

ka hametrahany an’i Jerosalema

ho voninahitra manerana ny tany.»

8Dia nataon’ny TOMPO izao fianianana izao:

«Araka ny hery amam-pahefana feno ananako,

dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako,

fa tsy hamela ny vary novolenao

ho sakafon’ny fahavalonao intsony,

ary tsy hamela ny divay nisasaranao

hosotroin’ny vahiny intsony;

9fa izay mijinja ny vary ihany

no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO,

ary izay nioty ny voaloboka ihany

no hisotro ny divay eo an-kianjan’ny tempoliko.»

10Ry mponin’i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna,

mivoaha amin’ny vavahady,

anokafy lalana ny vahoaka mody,

ataovy mitovy tantana ny arabe

ka esory ny vato eo aminy

ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.

11Injay nisy baiko nampitain’ny TOMPO

hatrany amin’ny faran’ny tany!

Koa lazao amin’ny olona ao Tsiôna hoe:

«Indro tonga ny Mpamonjinareo,

indro entiny miaraka aminy ny karama azony

ary eo anoloany ny valin-kasasarany.»

12Ny besinimaro, na ianareo na iretsy,

dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina»,

«ireo olona navotan’ny TOMPO»;

ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe:

«ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help