Ohabolana 1 - Malagasy Bible

1Ohabolan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely.

Tanjon’ny boky

2Ireo ohabolana ireo dia hahalalan’ny olona

ny fahendrena amam-panabeazana,

sy hahatakarany teny hahaiza-manavaka,

3ary hahazoany fanabeazana mahiratra

momba ny fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.

4Anomezam-pahamalinana ho an’ny olon-tsotra ireny

ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an’ny tanora.

5Na dia ny hendry aza no mihaino ireny,

dia hitombo traikefa izy,

ary ny lalin-tsaina hahita torolalana

6hahatakarana ohabolana sy fanoharana

ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantany.

7Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana.

Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.

Fampirisihana sy fananarana

8Henoy, anaka, ny fananaran-drainao

ary aza lavina ny fampianaran-dreninao;

9handravaka ny fiainanao izany

ka toy ny fehiloha kanto eo an-dohanao

ary koa toy ny rado eo am-bozonao.

10Anaka, aza manaiky ianao,

raha taomin’ny naman-dratsy

11ka ilazany hoe: «Andao hiaraka aminay;

aoka isika hanotrika handatsa-dra,

ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana

hatramin’ny olon-tsy manan-tsiny aza.

12Tahaka ny fitelin’ny toeran’ny maty

no hitelemantsika azy mbola velona

ka hanaovantsika azy telimoka

ho toy ny olona midina any am-pasana.

13Halaintsika avokoa ireo haren-tsarobidiny;

ka hofenointsika babo ny tranontsika.

14Dia hiombona anjara aminay ianao

fa hiraisantsika rehetra ny kitapom-bolantsika!»

15Anaka, aza mba miara-dalana

amin’ny olona tahaka izany;

halaviro ny lalan-kalehany.

16Fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy izy

sady dodona erỳ handatsa-dra.

17Tsy misy vokany ny famelaram-pandrika,

raha toa ka hitan’ny voromanidina izany.

18Ireny olon-dratsy ireny kosa dia manotrika

handatsaka ny ran’ny tenany ihany;

ka mamela-pandrika hamelezan-tena.

19Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pandroba,

ka ipaohana ny ain’izay fatra-panao azy.

Antso maika ataon’ny Fahendrena

20Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena

ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.

21Mitory eny amin’ny fihaonan-dalana be olona izy

ka manambara eo am-bavahadin’ny tanàna hoe:

22«Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina?

Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana?

Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?

23Miverena hihaino ny fananarako ianareo

fa indro haidiko aminareo ny fanahiko

ary hampahafantariko anareo ny teniko.

24Efa niantso aho fa nolavinareo,

efa nanolo-tanana anareo fa tsy nahoanareo.

25Nolavinareo ny torohevitro rehetra

ary tsy noraharahainareo ny anatro.

26Izaho kosa mba hihomehy ny faharavanareo

ary handatsa rehefa ho tonga aminareo ny tahotra.

27Eny, ho tonga aminareo toy ny tafiodrivotra ny tahotra

hiantonta toy ny rivodoza ny faharavanareo,

ho tonga aminareo ny zava-mampahory sy mampitebiteby;

28amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako

ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.

29Hiharan’izany tokoa ianareo,

satria nankahala ny fahalalana

ary tsy nifidy hanaja ny TOMPO

30sady tsy nanaiky ny torohevitro

ary naniratsira ny anatro rehetra.

31Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo

no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.

32Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina

ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.

33Izay mihaino Ahy kosa dia hitoetra amin-toky;

eny, handry feizay izy ka tsy hanahy fahoriana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help