Isaià 63 - Malagasy Bible

Ilay mpanosihosy voaloboka mahatahotra

1Iza àry ity tonga avy any Edôma,

avy any Bôtserà renivohiny,

ka manao fitafiana miloko mena?

Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka,

miandranandrana amin’ny haben’ny heriny!

–Izaho izany, hoy ny Tompo,

dia Izaho izay mitory ny fanafahana

sady manan-kery hamonjy!

2–Nahoana no mena ny akanjonao

ary nahoana ny fitafianao

no tahaka ny an’ny mpanosihosy voaloboka

ao amin’ny famiazam-boaloboka?

3–Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka

fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza

ireo olona avy tamin’ny vahoakako.

Nanosihosy hafa firenena tamin’ny fahatezerako Aho

ary nanitsakitsaka azy tamin’ny fahavinirako;

dia nipitipitika tamin’ny fitafiako ny rany

ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

4Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao,

satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.

5Dia nijerijery olona Aho,

kanefa tsy nisy afaka hanampy Ahy.

Gaga Aho satria tsy nisy nanohana,

koa ny fahefàko ihany no nentiko hamonjy

ary ny fahavinirako no nandrisika Ahy.

6Dia nentanim-pahatezerana Aho

ka nanamontsana ireo hafa firenena;

nataoko boboky ny fahavinirako ireny,

sady napariakako tamin’ny tany ny rany.

Tantaran’ny hatsarampon’ny Tompo

7Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO

sy ireo antony tokony hiderantsika AZY,

araka izay rehetra nataony tamintsika

mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely.

Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany

no nanaovany an’izany ho azy.

8Hoy ny TOMPO ny amin’ny Israelita hoe:

«Tena vahoakako tokoa ianareo,

zanaka tsy handiso fanantenana Ahy.»

Ka dia tonga Mpamonjy azy ireo ny Tompo

9tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy.

Tsy solotena na anjely no namonjy azy

fa ny tenan’ny Tompo mihitsy.

Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy,

ka nivimbinany azy sy nitondrany azy

nandritra ny androny rehetra fahiny.

10Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo

ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina;

dia tonga fahavalon’ireo Izy

sady niady taminy mihitsy.

11Tamin’izay ny vahoakan’Andriamanitra

dia nahatsiaro ny tantarany fahiny,

dia izay tamin’ny andron’i Mosesy:

«Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin’ny ony,

Ilay ho mpiandry ny andianondriny?

Nankaiza Ilay nametraka

ny Fanahiny Masina tao aminy?

12Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra

teo ankavanan’i Mosesy,

ka nampisaraka ny ranomasina

teo anoloan’ny vahoakany

mba hananany laza mandrakizay.

13Izy no nampandeha azy ireo

teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina;

toy ny soavaly mikarenjy any an-taniefitra ireo

ka tsy mba solafa-mamindra.

14Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha

no nitondran’ny Fanahin’ny TOMPO azy

ho amin’ny toerana fialan-tsasatra.»

Tompo ô, tahaka izany tokoa

no nitarihanao ny vahoakanao

mba hanananao laza mamirapiratra.

Vavaka fangatahana

15Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô;

avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra

mba jereo izay manjo anay.

Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda

sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka?

Enga anie ny famindramponao,

tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!

16Satria Ianao mihitsy no Rainay,

fa i Abrahama tsy mahalala anay,

ary i Jakôba tsy mahafantatra anay;

eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay,

Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay

amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»

17TOMPO ô, nahoana re izahay

no avelanao haniasia lavitra ny lalanao,

sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao?

Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao,

dia izahay foko anjara fanananao.

18Vahoaka natokana ho Anao izahay,

saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay;

fa nohitsakitsahin’ny fahavalonay ny Toeramasinao.

19Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao

sady tsy niantsoana ny anaranao intsony!

Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao,

ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help