Salamo 127 - Malagasy Bible

SALAMO Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano...

1 Hira fiakarana. Natao ho an’i Salômôna.

Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano,

dia miasa foana ny mpanorina azy.

Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanàna,

dia mitily foana ny mpiambina.

2Sasa-poana ianareo mifoha maraina sy miari-tory,

misahirana tokoa ny amin’izay hohanina.

Izany kosa dia omen’ny TOMPO

an’ireo olon-tiany mbola matory.

3Indro fanomezan’ny Tompo ireo zanaka maro;

valisoa tokoa ny zaza nateraka.

4Toy ny zana-tsipîka an-tanan’ny mpiady

ireo zanaky ny fahatanorana.

5Sambatra ny lehilahy

mahafeno tranon-jana-tsipîka amin’ireo!

Fa tsy ho menatra izy, rehefa hifamaly

amim-pahavalo eo am-bavahadin-tanàna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help