Salamo 97 - Malagasy Bible

SALAMO Ny Tompo mpanjaka; maneran-tany ny fifaliana

1Ny TOMPO no mpanjaka: miravoa, ry tany tontolo;

mifalia, ry mponina amin’ny nosy maro.

2Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy;

rariny sy hitsiny no iorenan’ny fanjakany.

3Misy afo mandeha mialoha Azy

ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.

4Mahazava izao tontolo izao ny tselany;

mahita izany ny tany ka dia mangovitra.

5Miempo toy ny savoka ny tendrombohitra

eo anoloan’ilay TOMPOn’ny tany tontolo;

6manambara ny fahamarinany ny lanitra

ary mahita ny voninahiny ny firenen-drehetra.

7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy

sy mirehareha amin’ny zavatra tsinontsinona!

Aoka hiankohoka eo anoloan’ny Tompo

ianareo andriamanitra rehetra!

8Mandre izany i Tsiôna ka miravo;

ireo tanànan’i Joda mifaly

noho ny fifehezanao, TOMPO ô,

9satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany

sady ambonin’ireo andriamanitra rehetra.

10Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy

fa miaro ny ain’ireo mpivavaka aminy Izy

ka manafaka azy tsy ho voatanan’ny olon-dratsy.

11Misy hazavana mamiratra ho an’ny olo-marina,

ka mitondra haravoana izany ho an’ny mahitsy fo.

12Mifalia ao amin’ny TOMPO,

ianareo olo-marina;

manaova fiderana Azy

ka tsarovy fa masina Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help