Apokalipsy 5 - Malagasy Bible Revision Version

Ny boky misy tombo-kase fito

1Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.

2Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?

3Tsy nisy anefa tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.

4Dia nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy.

5Hoy anefa ny iray tamin’ny loholona tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa nandresy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.

6Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono. Nanana tandroka fito sy maso fito Izy, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra.

7Tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.

8Rehefa nandray ny boky Izy dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry ny zavamananaina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, ary samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia ny vavaka ataon’ny olona masina izany.

9Nihira tononkira vaovao izy hoe:

Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny;

satria voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao

olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra, ho an’Andriamanitra;

10nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo

ary hanjaka ambonin’ny tany izy.

11Ary nahita aho, sady nandre feon’anjely maro manodidina ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina ary ny loholona ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo.

12Niteny tamin’ny feo mahery izy hoe:

Ny Zanak’ondry izay novonoina

dia mendrika handray

ny hery, ny harena, ny fahendrena,

ny faherezana, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra.

13Ary ny zavaboahary rehetra, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay eny ambonin’ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy niteny hoe:

Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana

sy ho an’ny Zanak’ondry anie

ny saotra, ny haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!

14Ary ny zavamananaina efatra dia niteny hoe: Amena*! Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help