Josoa INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy Bokin’i Josoa dia maneho ny nakan’ny Israely ny tany Kanana, koa tamin’izany dia Andriamanitra no niady niaraka tamin’ny olony ka nampiseho ny heriny toy ny tamin’ny nivoahana tany Ejipta. Ambaran’ny Boky koa ny fizarana ny tany ho an’ireo fokon’ny Israely mba hananany ny anjarany avy, koa ao amin’izany zarataniny izany izy no hiaina amin’ny fitahiana sy ny fiadanana. Ny fitoeran’ny Zanak’Israely eo anivon’ny firenena jentilisa, izay tsy mbola resy tosika tanteraka anefa, dia tsy maintsy ho fakam-panahy be ho azy. Noho izany i Josoa dia mitaky fanapahan-kevitra avy aminy mba hanavaozany ny fanekena hanompo NY TOMPO irery ihany. Izany fanavaozana ny fanekena izany no mamarana ny Boky.Ny firafitry ny BokyFitarihanteny: I Josoa, mpandimby an’i Mosesy: 1Ny fitàna ny ony Jordana sy ny fandraisan’ny Israely ny tany Kanana: 2–12Ny fizarana ny tany amin’ny foko roa amby folo: 13–21Ny fiafaran’ny fiainan’i Josoa: Ny alitara naorin’ny Robenita, ny hafatrafatra nataon’i Josoa ary ny fanekena tao Sekema: 22–24
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help