Isaia 3 - Malagasy Bible Revision Version

Ny korontana ao amin’ny fanjakana Joda

1Indro NY TOMPO Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda

ny andry sy tohana rehetra,

dia ny sakafo rehetra

sy ny rano rehetra izay tohan’aina,

2ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady,

ny mpitsara sy ny mpaminany,

ny mpisikidy sy ny loholona,

3ny mpifehy dimampolo sy ny manankaja,

ny mpanolotsaina sy ny mpahay taozavatra

ary ny mahay ny boredirediky ny mpitana ody.

4Hanendry ankizilahy ho lehibeny Aho,

ary haitraitran-jaza no hitondran’ireo azy.

5Hifampijaly ny vahoaka,

dia izy samy izy sy ny namany avy;

ny tanora dia hihetraketraka amin’ny zokiolona,

ary ny tsinontsinona amin’ny manankaja.

6Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny

ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe:

Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay!

Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao!

7Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe:

Tsy mpitsabo aho

ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko;

koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho!

8Fa tafintohina i Jerosalema

ary potraka i Joda

satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO

mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny.

9Miampanga azy ny fisehon’ny tarehiny;

mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy

ka tsy manafina azy.

Loza ny manjo azy!

Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.

10Lazao hoe: Hahita soa ny marina,

fa ny vokatry ny asany no hohaniny.

11Loza no hanjo ny ratsy fanahy!

Satria ny valin’ny nataon’ny tanany ihany no hanody azy.

12Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy,

ary vehivavy no mitondra azy.

Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao

sady mandrava ny lalana alehanao.

Ny fitsarana ireo mpitarika ny Israely

13Mitsangana handahatra NY TOMPO

ary mijoro hitsara ny olona.

14Miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony

amin’ny fitsarana NY TOMPO hoe:

Ripakareo ny tanim-boaloboka!

Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny mahantra izay efa nalainareo an-keriny!

15Nahoana no dia hosihosenareo ny oloko

ary torotoroinareo ny tavan’ny madinika?

Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Ny famaizana ny zanakavavin’i Jerosalema

16Hoy NY TOMPO: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona*

ka mandeha mianjonanjona

sy manao maso meloka

sady kasikasy fandeha

ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,

17dia hataon’ny Tompo feno takompery ny tampon-dohan’ny zanakavavin’i Ziona

ary hahanjahanjan’NY TOMPO ny tampon-kandriny.

18Amin’izany andro izany dia hesorin’NY TOMPO ny firavaka rehetra: Ny fehin-tongotra, ny sarondoha, ny firavaka sarim-bolan-tsinana,

19ny kavina, ny rojo, ny fisalobonana,

20ny satroka, ny rojo parapaingo, ny fehikibo misy haingony, ny fitoeran-dranomanitra, ny ody fiambozonany,

21ny peratra, ny kavin’orona,

22ny akanjo fihaingoana, ny akanjobe fanao ivelany, ny salotra, ny poketra,

23ny fitaratra, ny atin’akanjo, ny fehiloha ary ny lamba fisaronana.

24Hosoloana zavatra maimbo ny ranomanitra;

hosoloana mahazaka ny fehikibo tsara;

hosoloana loha sola ny volo voavoatra tsara;

hosoloana akanjo fisaonana ny akanjo mirebareba

ary hosoloana marika amin’ny vy mahamay ny hatsaran-tarehy.

Ny mpitondratenan’i Jerosalema

25Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao

ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao

26ka hitomany sy hisaona ny vavahadiny;

ho foana ny tanàna ka hitorovoka amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help