1Ataovy eo am-bavanao ny anjomara!
Fa hisy toy ny voromahery
hipaoka ny tranon’NY TOMPO
satria efa nivadika ny fanekeko
sy nandika ny lalànako ireo.
2Izaho dia hitarainany hoe:
Andriamanitro ô! Mahalala Anao izahay Israely!
3Arian’ny Israely ny soa
ka ny fahavalo no hanenjika azy.
4Nanangana mpanjaka ireo nefa tsy avy tamiko;
nifidy mpanapaka izy nefa tsy fantatro.
Ny volafotsiny sy ny volamenany
no nataony sampy
mba hamongorana azy!
5Maharikoriko ny ombilahikelinao, ry Samaria!
Mirehitra aminareo ny fahatezerako.
Mandra-pahoviana no tsy ho zakanareo ny fahadiovana?
6Fa avy tamin’ny Israely ireny;
mpahay taozavatra no nanao azy ka tsy andriamanitra io!
Ho torotoro ny ombilahikelin’i Samaria.
7Satria rivotra no nafafiny
dia tadio kosa no hojinjainy;
tsy misy vary mitsangana,
tsy hisy ventiny ny salohiny;
ary raha toa ka hisy aza dia olona hafa firenena no hihinana azy.
8Voatelina ny Israely!
Ankehitriny dia tonga tahaka ny fanaka tsy misy vidiny izy
any amin’ny Jentilisa*.
9Fa niakatra ho any Asiria izy,
toy ny borikidia mandeha irery.
I Efraima dia nandoa vola tamin’ny olon-tiany.
10Nefa na dia nandoa vola tany amin’ny Jentilisa aza izy
dia hovoriko ihany ankehitriny;
ary afaka fotoana fohy dia hijaly izy
noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.
11Nanao alitara maro hanotana i Efraima;
eny, alitara mba hanotany.
12Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako,
dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany.
13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy;
eny, mihinana ny henan’izany,
nefa tsy sitraky NY TOMPO ireo.
Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany,
ary hovaliany ny helony;
eny, hiverina ho any Ejipta izy ireny.
14Nanadino ny Mpanao azy Israely
ka nanorina lapa mirenty.
I Joda kosa dia nanamaro tanàna mimanda.
Handefasako afo ao an-tanànany
ka holevonin’izany ireo lapa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.