Salamo 72 - Malagasy Bible Revision Version

Vavaka mba hitahian’Andriamanitra ny mpanjakaNataon’i Solomona.

1Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka ny fitsaranao

ary omeo ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao!

2Aoka izy hitsara ny olonao amin’ny fahamarinana

ary ny malahelonao amin’ny fahitsiana.

3Ny tendrombohitra dia hahavokatra fiadanana ho an’ny olona;

eny, ny havoana koa, amin’ny fahamarinana.

4Aoka izy hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka

sy hamonjy ny zanaky ny mahantra

ary hanorotoro ny mpampahory.

5Hatahotra anao ny olona raha mbola maharitra koa ny masoandro

sy ny volana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

6Hidina tahaka ny ranonorana amin’ny saha voajinja izy,

tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ny tany.

7Ny marina dia hitrebona amin’ny androny

ary ho be ny fiadanana mandra-paha tsy hisy volana intsony.

8Hanapaka hatrany amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray izy

ary hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny faran’ny tany.

9Ny mponina any an-tany efitra dia handohalika eo anatrehany

ary ny fahavalony dia hilelaka ny vovoka.

10Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny nosy dia handoa hetra;

ny mpanjakan’i Sheba sy Seba dia hanatitra fanomezana.

11Ny mpanjaka rehetra dia hiankohoka eo anatrehany

ary ny firenena rehetra dia hanompo azy.

12Fa hamonjy ny mahantra mitaraina

sy ny ory tsy manan-kamonjy izy;

13hiantra ny madinika sy ny mahantra izy

ary hamonjy ny ain’ny mahantra.

14Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy

ary ho sarobidy eo imasony ny rany.

15Aoka ho velona izy ary aoka homena volamena avy any Sheba izy!

Aoka hisy fifonana ho azy mandrakariva ary aoka hotsofindrano isanandro izy!

16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza,

hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany,

ary hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany ny ao an-tanàna.

17Ho mandrakizay ny anarany;

raha mbola maharitra koa ny masoandro dia haharitra ny anarany.

Izy no ho fitahiana ny olona;

ny firenena rehetra dia hanao azy hoe sambatra.

18Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitra, Andriamanitry ny Israely;

Izy irery ihany no manao fahagagana!

19Isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza!

Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny! Amena! Eny, Amena!

20Tapitra ny vavaka nataon’i Davida zanak’i Jese.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help