Salamo 116 - Malagasy Bible Revision Version

Fisaorana nataon’izay saika maty nefa novonjen’Andriamanitra

1Izaho dia tia NY TOMPO

satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy;

2satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy;

dia hiantso aho raha mbola velona koa.

3Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana

ary nahazo ahy ny fahorian’ny fitoeran’ny maty*;

nahita fahoriana sy alahelo aho.

4Dia niantso ny anaran’NY TOMPO aho hoe:

Mifona Aminao aho, TOMPO ô, afaho aho.

5Mamindra fo sy marina NY TOMPO;

eny, miantra Andriamanitsika.

6Miaro ny olona tso-po NY TOMPO;

reraka aho dia namonjy ahy Izy.

7Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko,

fa NY TOMPO efa nanisy soa anao.

8Ianao dia nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana

sy ny masoko tamin’ny ranomaso

ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana.

9Handeha eo anatrehan’NY TOMPO

eo amin’ny tanin’ny velona aho.

10Nanam-pinoana tokoa aho na dia niteny aza hoe:

Reraka loatra aho.

11Hoy aho tamin’ny fahatairako:

Mpandainga ny olona rehetra.

12Inona no havaliko NY TOMPO

noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13Handray ny kapoaky ny famonjena aho

ka hiantso ny anaran’NY TOMPO.

14Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho;

eny, eo anatrehan’ny olony rehetra.

15Sarobidy eo imason’NY TOMPO

ny fahafatesan’ny olony masina.

16Indrisy, TOMPO ô! Mpanomponao tokoa aho;

eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao.

Namaha ny fatorako Ianao.

17Ianao no hanolorako fanati-pisaorana,

ary ny anaran’NY TOMPO no hantsoiko.

18Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho

eny, eo anatrehan’ny olony rehetra,

19dia eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO,

eo afovoanao, ry Jerosalema ô!

Haleloia*.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help