Isaia 27 - Malagasy Bible Revision Version

Fandresena ny leviatana

1Amin’izany andro izany, ny sabatry NY TOMPO, izay mafy sady lehibe no mahery,

no hoentiny mamaly ny leviatana*, ilay menarana mandositra,

ny leviatana, ilay menarana miolikolika,

ary hovonoiny ilay dragona* ao an-dranomasina.

NY TOMPO sy ny tanim-boalobony

2Amin’izany andro izany

no hihiranareo ny amin’ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:

3Izaho TOMPO no mpiaro io,

isaky ny indray mipy maso no anondrahako azy,

fandrao misy manimba azy,

dia miambina azy Aho na andro na alina.

4Tsy misy fahatezerana ato Amiko.

Enga anie ka hisy anjavidy sy tsilo eto anatrehako mba hiadiako!

Hohitsakitsahiko ireo

ka hodorako avokoa!

5Fa raha tsy izany dia aoka hanao Ahy ho fiarovana mafy kosa izy

ka hihavana Amiko;

eny, aoka hihavana Amiko izy!

6Amin’ny andro ho avy dia hiorina tsara i Jakoba;

ary hamony sy hitsimoka Israely

ka hameno izao tontolo izao amin’ny vokany.

Ny famindrampo amin’ny taranak’i Jakoba

7Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa?

Tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?

8Tamin’ny nandroahana azy, tamin’ny famoahana azy tany ivelany no nitsarana azy;

nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy

tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

9Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba,

ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany:

Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara

ho tahaka ny vato sokay voatorotoro,

ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.

10Fa hitoka-monina ny tanàna mimanda

ka ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny tany efitra;

ao no hihinanan’ny zanak’omby sy handriany

ary handaniany ny rantsan-kazony.

11Raha malazo ny rantsany dia hotapatapahina

ka ho avy hitaina azy ny vehivavy.

Satria firenena tsy manam-pahalalana izy,

dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy

ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.

Ny fiverenan’ireo voaroaka

12Amin’izany andro izany

dia hahintsan’NY TOMPO

hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo

ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!

13Amin’izany andro izany dia hotsofina ny anjomara lehibe;

dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asiria

sy izay efa niely tany amin’ny tany Ejipta

ka hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO

eo amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help