1Indro tonga eny an-tendrombohitra
ilay mitondra teny soa mahafaly
sady manambara fiadanana!
Ankalazao ny andro firavoravoanao, ry Joda,
efao ny voadinao;
fa tsy handeha hamakivaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy,
indray ripaka izy rehetra.
2Misy mpanafika miakatra hamely anao.
Ambeno ny manda,
tazano ny lalana,
mivonòna hiady,
mahereza, aoka hitomban-dahy!
3Fa NY TOMPO efa mampody ny voninahitr’i Jakoba,
toy ny ampodiany ny voninahitr’Israely;
fa efa nandroba azy ny mpandroba
ary nanimba ny sampam-boalobony.
Voafitaka sady voaroba i Ninive4Miloko mena ny ampingan’ny lehilahy maheriny,
miloko jaky ny fanamian’ny miaramilany,
ny kalesy fitondrany miady dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo
amin’ny andro fiomanany,
ary arangaranga ny lefona.
5Miriotra eny an-dalambe ny kalesy fitondra miady
ka mifamoivoy eny amin’ny toerana malalaka;
tahaka ny harendrina no fijery azy,
mitsoriaka tahaka ny tselatra izy.
6Tsaroany ny lehilahy malazany,
kanjo tafintohina am-pandehanana ireny;
mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny,
kanjo efa voatsangana hatrany an-tampony ny manda.
7Novohana ireo vavahadin’ny renirano
ary mirodana ny lapa.
8Izao no iafarany: Ampitanjahina izy
dia noentina ho babo,
ary mitoloko azy manao feom-boromailala ny mpanompovavy
sady miteha-tratra.
9Hatramin’izay i Ninive dia tahaka ny fitahirizan-drano;
kanefa manary rano izy izao.
Mijanòna! Mijanòna e!
Nefa tsy misy miherika.
10Mandrobà volafotsy,
Mandrobà volamena!
Fa tsy hita lany ny rakitra soa,
dia ny habetsahan’ny zavatra sarobidy isan-karazany.
11Voaroba daholo, potipotika, foana sady lao!
Kivy ny fo, mangozohozo ny lohalika,
manaintaina ny andilana rehetra,
mivaloarika ny tarehy rehetra.
Toy ny liona resy i Ninive12Aiza ilay lavaky ny liona
sy firembin’ny liona tanora,
dia ilay nandehanan’ny lion-dahy sy ny liom-bavy mbamin’ny zanany
ka tsy nisy nanaitaitra azy?
13Ny liona dia mamotipotika izay ilain’ny zanany,
manakenda koa mba hanomezany ho an’ny liom-bavy
sady mameno haza ny lavaka misy azy
sy mameno remby voarotidrotika ny fonenany.
14Indro, hamely anao Aho,
hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Holevoniko ho setroka ny kalesy fitondranao miady,
hovonoiko amin’ny sabatra ny liona tanoranao;
hofongorako amin’ny tany ny hazanao;
ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.