Salamo 73 - Malagasy Bible Revision Version

BOKY FAHATELORehefa toa ambinina amin’ny zavatra rehetra ny ratsy fanahySalamo nataon’i Asafa

1Eny, marina tokoa fa Andriamanitra dia tsara amin’ny Israely,

dia amin’izay madio fo.

2Fa izaho dia saika nibolasitra ny tongotro;

saika solafaka ny diako

3satria nialona ny mpirehareha aho

raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.

4Fa tsy mba misy fanaintainana amin’ny fahafatesany

ary fatratra ny heriny.

5Tsy mba misy manavesatra azy tahaka ny olona rehetra

ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.

6Noho izany dia ny fireharehana no rojo iambozonany

ary ny fanaovana an-keriny no lamba itafiany.

7Bongon-tavy ny masony;

mihoa-pampana ny hevitra avy ao am-pony.

8Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana sy fanaovana an-keriny;

avo vava izy;

9manao vava manakatra ny lanitra izy

ary ny lelany dia mandeha mitety ny tany.

10Izany no itodihan’ny olony hankany aminy.

Ranobe no gohin’ireny

11ka hoy izy: Hataon’Andriamanitra ahoana no fahalala?

Ary moa mba misy fahalalana ao amin’ny Avo Indrindra?

12Indro ireny dia olona ratsy fanahy;

miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.

13Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko

sy ny nanasako ny tanako tamin’ny tsy fananan-tsiny.

14Voakapoka mandritra ny andro aho

ary faizina isa-maraina.

15Raha toa ka niteny aho hoe: Hiteny sahala aminy aho,

dia ho namitaka ireo zanakao.

16Dia nieritreritra aho mba hahafantatra izany zavatra izany,

kanjo sarotra tamiko izany,

17mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra

ka azoko an-tsaina ny zavatra miandry azy.

18Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy

ary aripakao ho ringana izy.

19Akory izay! Rava indray mipy maso izy,

levona izy, matin’ny zava-mahatahotra!

20Tahaka ny anaovan’ny olona ny nofiny ho tsinontsinona

dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ireny ho tsinontsinona, rehefa mifoha Ianao.

21Raha lotika ny foko

ka voatsindrona ny voako

22dia ketrina aho ka tsy nahalala;

eny, toy ny biby teo anatrehanao aho.

23Nefa izaho dia eo Aminao ihany mandrakariva,

mihazona ny tanako havanana Ianao.

24Ny saina omenao no itarihanao ahy

ary rehefa afaka izany dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.

25Iza no ahy any an-danitra?

Ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao.

26Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko

dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.

27Fa indro, very izay lavitra Anao;

aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.

28Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy;

Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana,

mba hitantarako ny asanao rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help