Isaia 1 - Malagasy Bible Revision Version

FIZARANA VOALOHANY

1Ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza, izay hitany ny amin’ny Joda sy i Jerosalema tamin’ny andron’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda.

Nikomy nanohitra NY TOMPO ny Israely

2Mihainoa ry lanitra!

Atongilano ny sofinao ry tany!

Fa NY TOMPO no miteny hoe:

Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho,

kanjo nikomy Tamiko ireo.

3Ny omby dia mahalala ny tompony,

ary ny boriky dia mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony;

fa ny Israely no tsy mahalala,

ny oloko no tsy mahazo an-tsaina.

Tsy misy izay tsy potika ao Joda

4Indrisy! Firenena mpanota,

olona mavesa-keloka,

taranaka mpanao ratsy,

zanaka mpanao meloka!

Nahafoy NY TOMPO izy,

nanamavo ny Iray Masin’ny Israely,

efa nikomy izy.

5Nahoana no mbola te hokapohina ihany ianareo

noho izao fikomianareo lalandava izao?

Henika aretina ny loha manontolo

ary marary ny fo manontolo.

6Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha

dia tsy misy izay tsy marary,

ratra sy dian-kapoka ary fery vao

tsy voatsabo na voafehy

na voalemin’ny diloilo.

7Lao ny taninareo;

voadoro tamin’ny afo ny tanànanareo;

lanin’ny hafa firenena eo imasonareo ny tanimbolinareo.

Lao izy, toy ny efa noravan’ny hafa firenena.

8Nilaozana i Ziona* zanakavavy,

tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka

sy tahaka ny trano fialofan’ny mpiandry voly ao anaty tanim-boatango,

tahaka ny tanàna natao fahirano.

9Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

no namela olona vitsivitsy tamintsika,

dia efa tonga tahaka an’i Sodoma isika

ary nitovy tamin’i Gomora.

Fanompoam-pivavahana maharikoriko an’Andriamanitra

10Henoy ny tenin’NY TOMPO,

ry mpitondra an’i Sodoma!

Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo,

ry vahoakan’i Gomora!

11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO.

Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo

sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho;

tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.

12Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo,

iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?

13Aza mitondra fanati-poana intsony,

fahavetavetana amiko ny fofony;

ny amin’ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-pivoriana:

Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!

14Halako ny voaloham-bolanareo sy ny andro firavoravoanareo,

mavesatra amiko izany;

sasatra mitondra azy Aho.

15Raha mamelatra ny tanana ianareo

dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho;

eny, na dia manao vavaka be dia be aza ianareo

dia tsy hihaino Aho;

Feno ran’olona ny tananareo.

16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo,

esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo;

atsaharo ny fanaovan-dratsy;

17Mianara hanao ny tsara,

katsaho ny rariny,

anaro ny mpampahory,

omeo rariny ny kamboty,

arovy ny mpitondratena.

18Avia ary hifandahatra isika,

hoy NY TOMPO.

Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo

dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala,

Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza

dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.

19Raha manaiky sy mankatò ianareo

dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany;

20fa raha mbola mandà sy mikomy ihany ianareo

dia ho lanin’ny sabatra.

Ny vavan’NY TOMPO no niteny.

Hodiovin’Andriamanitra i Jerosalema

21Indrisy! Tonga janga

ity tanàna nahatoky!

Feno ny rariny izy taloha

sady nitoeran’ny fahamarinana,

fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy!

22Tonga tain-drendrika ny volafotsinao;

voatsatso tamin’ny rano ny divainao.

23Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra;

samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra;

tsy mba omeny rariny ny kamboty

ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena.

24Noho izany dia hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

Ilay Maherin’ny Israely:

E! Hamely ny mpanohitra Ahy Aho

ary hamaly faty ny fahavaloko.

25Hamerina ny tanako ho aminao indray Aho

ka hodioviko amin’ny sirahazo ianao hahafahan’ny tain-drendrikao anao;

hesoriko ny firaka rehetra aminao.

26Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao

ary ho toy ny tamin’ny voalohany ny mpanolotsainanao.

Rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe

Tanànan’ny fahamarinana,

Tanàna mahatoky.

27Havotana amin’ny fitsarana i Ziona*

ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana.

28Samy haringana avokoa

ny mpikomy sy ny mpanota;

eny, ho lany ritra izay mahafoy NY TOMPO.

29Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta*

izay nifalianareo

ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha

izay nofidinareo.

30Fa ho tahaka ny hazo terebinta

malazo ravina ianareo

sady ho tahaka ny saha tsy misy rano.

31Ny mahery dia ho tahaka ny vohavoha,

ny asany dia ho tahaka ny kilalaon’afo;

hiaraka hirehitra izy roa tonta

ary tsy hisy hamono ny afo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help