Ezekiela 9 - Malagasy Bible Revision Version

Ny amin’ireo lehilahy nirahina hamely an’i Jerosalema

1Ary niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako NY TOMPO hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana!

2Ary indreo, nisy lehilahy enina avy teo amin’ny vavahady ambony izay manatrika ny avaratra, samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny iray tamin’ireo dia nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina.

3Ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia niakatra ka niala teo amin’ny kerobima* izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano, ary Izy dia niantso ilay lehilahy nitafy lamba rongony fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany.

4Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy.

5Ary reko Izy niteny tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamakivaky ny tanàna ka mameleza; aoka tsy hamindra fo ny masonareo ary aza ananana antra!

6Na lahiantitra na zatovo na virijiny na zaza madinika na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin’ny lahiantitra izay teo anoloan’ny Trano ireo.

7Ary hoy Izy tamin’ireo: Lotoy ny Trano ary fenoy faty ny kianja! Mivoaha ianareo! Dia nivoaka izy ireo ka namely ny tao an-tanàna.

8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Israely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao?

9Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’Israely sy ny Joda; feno ran’olona nalatsaka ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna satria hoy izy: NY TOMPO efa nahafoy ny tany ary NY TOMPO tsy mahita.

10Ary Izaho kosa dia tsy hiantra ny masoko sady tsy hamindra fo Aho fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny lalany.

11Ary indro, Ralehilahy, ilay nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo amin’ny andilany, dia nitondra teny niverina hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help