Salamo 35 - Malagasy Bible Revision Version

Fitarainan’ny tsy manan-tsiny entina eo amin’ny fitsaranaNataon’i Davida.

1TOMPO ô, mamalia izay manana ady amiko;

miadia amin’izay mamely ahy!

2Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe

ka mitsangàna hamonjy ahy!

3Raiso ny lefona ka sakano izay manenjika ahy!

Lazao amiko hoe: Famonjena anao Aho!

4Aoka hitsanga-menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko!

Aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy!

5Aoka ho tahaka ny akofa aelin’ny rivotra izy

ary aoka handroaka azy ny Anjelin’NY TOMPO*.

6Aoka ho maizina sy malama ny lalany

ary aoka hanenjika azy ny Anjelin’NY TOMPO!

7Fa tsy amin’antony ny nanafenany lavaka tamiko tamin’ny harato hahazoany ahy;

tsy amin’antony ny nandavahany lavaka hamandrihana ny aiko.

8Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy

ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny;

aoka ho azon’izany izy ka ho latsaka ao amin’izany fandringanana izany.

9Fa ny fanahiko kosa dia hiravoravo ao amin’NY TOMPO

sy ho faly amin’ny famonjeny.

10Hatramin’ny taolako rehetra dia hiteny hoe: TOMPO ô, iza no tahaka Anao

izay manafaka ny mpandefitra amin’ny mahery noho izy;

eny, ny ory sy ny mahantra amin’izay mandroba azy?

11Misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana

ka zavatra tsy fantatro no anadinany ahy.

12Mamaly ratsy ahy ho solon’ny soa izy

ka zary manirery aho.

13Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia akanjo fisaonana no nanaovako;

nampahory ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho

ary niverimberina ny vavaka nataoko.

14Nandeha toy ny nanan-tsakaiza na rahalahy mana-manjo aho,

nitanondrika tamin’alahelo toy ny misaona reny aho.

15Nefa nony nivembena efa ho lavo aho dia faly izy ireo ka nitangorona;

nitangorona hamely ahy izy ireo fa izaho no tsy nahafantatra;

tsy nitsahatra namiravira izy;

16miaraka amin’ny olon-dratsy mpanendrikendrika sy mpanararaotra izy

ka mihidy vazana amiko.

17Tompo ô, mandra-pahoviana no hijery izany fotsiny Ianao?

Afaho amin’ny fandringanana ataony aho

ary avoty amin’ny liona tanora ny aiko tokana.

18Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonan-dehibe aho;

hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.

19Aoka tsy hifalian’izay mandrafy ahy foana aho

ary aoka tsy hangarika ahy izay mankahala ahy tsy amin’antony!

20Fa tsy fihavanana no lazainy;

mamorom-pitaka izy hamelezany ny olona bonaika ambonin’ny tany.

21Mitanatana vava amiko izy

ka miteny hoe: Hia! Akory izay!

Ny masonay no nahita!

22Hitanao izany, TOMPO ô, ka aza mangina!

Aza manalavitra ahy, Tompo ô!

23Mifohaza Ianao

ka miarena hitsara ny raharahako!

Ry Andriamanitro sy Tompoko! Mifohaza ho amin’ny adiko!

24Tsarao araka ny fahamarinanao aho, RY TOMPO Andriamanitro ô!

Aoka tsy hifalian’ireo aho!

25Aoka tsy hiteny anakampo izy hoe: Hia! Izay no nirinay!

Aoka tsy hiteny izy hoe: Efa natelinay izy!

26Aoka hitsanga-menatra sy hangaihay avokoa

izay mifaly amin’ny manjo ahy!

Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka

izay mirehareha amiko!

27Aoka hihoby sy hifaly

izay mankasitraka ny fahamarinako;

aoka izy hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO

izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony!

28Hilaza ny fahamarinanao ny lelako;

ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help