Estera 10 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fisandratan’i Mordekay tamin’ny farany

1Nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina i Ahasoerosy mpanjaka.

2Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ny filazana ny fahalehibiazan’i Mordekay, araka izay nanandratan’ny mpanjaka azy, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’i Media sy i Persia va izany?

3Fa i Mordekay jiosy no nanarakaraka an’i Ahasoerosy mpanjaka tamin’ny fahefana, sady nalaza tamin’ny Jiosy* ka nankasitrahan’ny rahalahiny maro, satria nitady izay hahasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ny olona rehetra iray firazanana taminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help