Fitomaniana 2 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahatezeran’Andriamanitraalef א

1Indrisy!

Amin’ny fahatezerany

no anaronan’ny Tompo rahona an’i Ziona* zanakavavy,

nazerany avy tany an-danitra ho amin’ny tany

ny reharehan’ny Israely,

ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony

tamin’ny andron’ny fahatezerany!

bet ב

2Natelin’ny Tompo ny fonenan’i Jakoba rehetra

fa tsy nisy niantrany;

noravany an-katezerana

ny mandan’i Joda zanakavavy

ka nazerany tamin’ny tany,

notsiratsirainy ny fanjakana sy ny mpanapaka eo aminy.

gimel ג

3Nokapainy tamin’ny fahatezerany mirehitra

ny tandroky* ny Israely rehetra;

nahemony teo anoloan’ny fahavalo

ny tanany ankavanana,

ary nandoro an’i Jakoba toy ny lelafo miredareda

izay nandevona manodidina Izy.

dalet ד

4Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy,

nijoro nanatsotra ny tanany ankavanana toy ny mpanohitra Izy

ka nandripaka

izay rehetra mahafinaritra ny maso;

ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo

tamin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy.

he ה

5Tonga toy ny fahavalo ny Tompo

ka nitelina ny Israely.

Eny, nateliny ny lapany rehetra

sady noravany ny manda fiarovany;

nampitomboiny tao amin’i Joda zanakavavy tokoa

ny sento sy ny taraina.

vav ו

6Noravany an-keriny toy ny tanimboly

ny fefiny

sady noravany ny toeram-piravoravoany;

nataon’NY TOMPO hadino tao Ziona

ny fotoam-piravoravoana sy ny Sabata

ka nolaviny tamin’ny fahatezerany mirehitra

ny mpanjaka sy ny mpisorona.

zaìn ז

7Narian’ny Tompo ny alitarany,

nolaviny ny fitoerany masina;

natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo

ny mandan’ny lapa ao Ziona;

nisy nanandra-peo tao amin’ny tranon’NY TOMPO

toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana.

het ח

8NY TOMPO no ninia nandrava

ny mandan’i Ziona zanakavavy;

nanenjana ny kofehy fandrefesana Izy

ka tsy namonkina ny tanany

tsy handrava;

dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy

ka miara reraka ireo.

tet ט

9Ny vavahadiny dia tototry ny tany

sady nosimbany no nopotipotehiny ny hidiny;

ny mpanjakany sy ny andriana eo aminy dia efa any amin’ny firenena hafa;

tsy misy lalàna intsony,

eny fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita

fahitana avy amin’NY TOMPO intsony.

iod י

10Ny loholon’i Ziona zanakavavy

dia mipetraka amin’ny tany ka mangina;

nasiany vovoka ny lohany,

misikina lamba fisaonana izy;

mampitanondrika ny lohany ho amin’ny tany

ny virijiny any Jerosalema.

kaf כ

11Bongo ny masoko azon’ny ranomaso,

mandevilevy ny ao anatiko;

nararaka tamin’ny tany ny atiko

noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy,

sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana

eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna.

lamed ל

12Manontany ny reniny izy ireo hoe:

Aiza izay vary sy divay?

Ana toy ny voatrobaka

eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna izy ireo,

ary miala aina

eo ampofoan-dreniny.

mem מ

13Inona no hampitoviako aminao?

Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy?

Inona no hampitahaiko aminao,

mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijiny?

Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao,

iza no mahasitrana anao?

non נ

14Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana

mandainga sy mamitaka ho anao

sady tsy nampiseho ny helokao

mba hiarovany anao tsy ho babo;

eny, nahita faminaniana lainga

sy fampivilian-tsaina ho anao izy.

samek ס

15Miteha-tanana noho ny aminao

izay rehetra mandalo eny an-dalana;

misiaka maneso sady mihifikifi-doha

ny amin’i Jerosalema zanakavavy izy ka miteny hoe:

Ity va ilay tanàna izay nolazainy hoe

fanaperan’ny hatsaran-tarehy, fifalian’ny tany rehetra?

pe פ

16Mitanatana vava aminao

ny fahavalonao rehetra;

misiaka maneso sy mihidy vazana izy

ka miteny hoe: Natelinay!

Ity tokoa ilay andro nandrasanay

ka efa azonay sady hitanay.

aìn ע

17NY TOMPO efa nanatanteraka izay nosaininy

ka nahatò ny teniny

izay didy nomeny hatramin’ny andro fahagola;

nandrava Izy, fa tsy niantra;

ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy

sady nanandratra ny tandroky ny rafinao.

tsade צ

18Mitaraina amin’ny Tompo ny fony.

Ry mandan’i Ziona zanakavavy!

Mandrotsaha ranomaso andro aman’alina toy ny riaka;

aza mangina,

aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.

kof ק

19Mitsangàna, miantsoantsoa

amin’ny alina hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana,

aidino tahaka ny rano

eo anatrehan’ny Tompo ny fonao!

Asandrato Aminy ny tananao

hifona ho an’ny ain’ny zanakao madinika

izay reraky ny hanoanana

eny an-joron-dalana rehetra eny.

res ר

20TOMPO ô, jereo ka diniho

ny olona izay nanaovanao izany.

Hihinana ny ateraky ny kibony va ny vehivavy,

dia ny zanany madinika izay notezainy am-pitiavana?

Hovonoina ao amin’ny fitoerana masina an’ny Tompo va

ny mpisorona sy ny mpaminany?

sin ש

21Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalana

ny tanora sy ny antitra;

ny virijiniko sy ny zatovoko

dia lavon’ny sabatra;

novonoinao tamin’ny andro fahatezeranao izy ireo;

eny, naripakao, fa tsy niantranao.

tao ת

22Niantso ny fampihorohoroana hanodidina ahy

toy ny amin’ny fotoam-piravoravoana ianao

ka tsy nisy sisa afa-nandositra

tamin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO;

izay notezaiko am-pitiavana sy nobeaziko aza

dia lanin’ny fahavaloko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help