1I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy* Tompo: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!
Ny fiainana sy ny finoan’ny Tesaloniana2Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay
3sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy* Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika.
4Fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5fa tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany ny Filazantsara torinay fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be. Efa fantatrareo rahateo ny fitondrantenanay teo aminareo mikasika anareo.
6Efa nanahaka anay sy ny Tompo ianareo satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina
7ka tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8Fa avy tao aminareo no nanakoako ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra ka tsy misy holazainay intsony.
9Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay nahazoanay miditra ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy ka niverenanareo tamin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
10ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy izay mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.