Matio INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYIray tamin’ireo Apostoly roa amby folo i Matio ary voalazan’ny Filazantsara telo ny fiantsoana azy fa mpamory hetra izy talohan’izany. I Levy koa no anarany. Jiosy niara-niasa tamin’ny Romana izy, araka izany.Ny fomba fiteny ampiasainy dia hoe «Ny fanjakan’ny lanitra» fa tsy «Ny fanjakan’Andriamanitra». Fomba fiteny jiosy izany ary izany no ahazoana milaza fa nosoratana ho an’ny Kristiana Jiosy voalohany ity boky ity.Ny votoatin’ny BokyMampifandray ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ity boky ity noho ny filazana matetika ny fahatanterahan’ny Testamenta Taloha. Asehon’i Matio fa Jesosy dia sady mampianatra momba ny Lalàna ary maneho ny tena heviny no manasitrana ny olona mihaona Aminy. Izy koa no ilay Mesia efa nandrasan’ny Jiosy ela.Misy fomba ampiasain’i Matio mba ho mora tadidy ny fampianaran’i Jesosy, ohatra ny isa 7: Ny fanoharana 7, ny loza 7, ilay vehivavy nanambady azy 7 mirahalahy nifandimby, ny famelan-keloka impito amby fitopolo.Amin’ny fiandohan’ny Boky sy amin’ny famaranana azy dia asehony fa Andriamanitra eo amin’ny olona Jesosy. Ambarany fa Jesosy no Imanoela na: Amintsika Andriamanitra na Andriamanitra momba antsika. Ary ny famaranana ny Boky dia milaza hoe: «Indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao».Ny firafitry ny BokyTetiaran’i Jesosy sy tantaran’ny nahaterahany: 1–2Ny fiainam-baovao noentin’i Jesosy: 3–7Ny mpianatr’i Jesosy: 8–10Ny fanjakan’ny lanitra: 11–13.52Ny Fiangonana sy ny olon’i Jesosy: 13.53–18.35Ny fampianarana sy fanasitranan’i Jesosy nifandona tamin’ny Fariseo: 19–25Ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ary ny fanirahana lehibe: 26–28