Salamo 41 - Malagasy Bible Revision Version

Vavaka ataon’ny olona misy mpanenjikaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Sambatra izay mahatsiaro ny mahantra!

NY TOMPO manafaka azy amin’ny andro fahoriana;

2NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty;

holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy

ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.

3NY TOMPO hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy;

soloinao ny momba ny fandrianany rehetra eo am-paharariany.

4Hoy aho: Mamindrà fo amiko, TOMPO ô!

Sitrano ny fanahiko fa efa nanota Taminao aho.

5Maniry loza ho ahy ny fahavaloko ka miteny hoe:

Rahoviana izy no ho faty ka ho very ny anarany?

6Raha misy tonga mamangy ahy dia zava-poana no teneniny;

manangona faharatsiam-panahy ny fony;

raha vao tafavoaka izy dia milazalaza ireny.

7Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy;

misaina hanisy ratsy ahy izy.

8Tena zava-doza, hoy izy, no hihatra aminy!

Raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony!

9Eny, ny sakaizako

izay nitokisako sady nihinana ny haniko aza

no nanainga ny voditongony hamely ahy.

10Fa Ianao kosa, TOMPO ô, mamindrà fo amiko ka atsangano aho

mba hamaliako azy!

11Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Ianao,

dia ny tsy anakoran’ny fahavaloko ahy.

12Ny amiko dia manohana ahy amin’ny fahitsiako Ianao

ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.

13Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay!

Amena*; eny, Amena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help