Amosa 1 - Malagasy Bible Revision Version

1Ireo tenin’i Amosa, isan’ny mpiandry ondry tany Tekoa, dia izay hitany ny amin’ny Israely tamin’ny andro nanjakan’i Ozia mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany.

2Hoy izy:

Avy ao Ziona NY TOMPO no mierona,

ary avy ao Jerosalema Izy no mampikotroka ny feony.

Misaona ny saha fiandrasana ondry

ary maina ny tampon’i Karmela.

Ny fanomezan-tsiny ataon’NY TOMPO amin’ny Israely sy ireo firenena manodidinaNy Arameana

3Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Damaskosy,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada;

4handefasako afo ny tranon’i Hazaela

ka handevona ireo lapan’i Beny-Hadada izany.

5Hotorotoroiko ny hidin’i Damaskosy,

hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’i Avena

ary hesoriko tao Bety-Edena izay mitana tehim-piandrianana;

ho lasan-ko babo any Kira ny vahoakan’i Arama,

hoy NY TOMPO.

Ny Filistina

6Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Gaza,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria nalefany ho babo avokoa ny olona ka natolony an’i Edoma;

7handefasako afo ny mandan’i Gaza

ka handevona ireo lapany izany.

8Hofoanako tsy hisy mponina i Asdoda

ary tsy hisy hitana tehim-piandrianana ao Askelona;

haveriko hamely an’i Ekrona ny tanako

ka ho fongana izay sisa amin’ny Filistina,

hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Ny Fenisiana

9Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Tiro,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra

ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;

10handefasako afo ny mandan’i Tiro

ka handevona ireo lapany izany.

Ny Edomita

11Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Edoma,

eny, efatra aza, dia tsy havelako izy

satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy

ka nofoanany ny fiantrany;

mamiravira mandrakariva ny fahatezerany

ary notahiriziny lalandava ny fahavinirany;

12handefasako afo ao Temana

ka handevona ireo lapan’i Bozra izany.

Ny Amonita

13Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria notatahany ny kibon’izay bevohoka tao Gileada

mba hanitarany ny taniny;

14hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho

ka handevona ireo lapany izany

ary hisy horakoraka amin’ny andro iadiana

sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio;

15dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany

mbamin’ireo mpanapaka rehetra ao aminy,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help