Amosa 9 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fahitana fahadimy: Tsy ho afa-mandositra

1Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy:

Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana,

torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra!

Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra

ka tsy hisy afa-mandositra

sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.

2Na dia mibosesika ho any amin’ny fitoeran’ny maty* aza izy

dia any no hanalan’ny tanako azy;

ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy

dia avy any no hampidinako azy.

3Na dia miery any an-tampon’i Karmela aza izy

dia any no hitadiavako sy hanalako azy;

ary na dia miafina any ambanin’ny ranomasina aza izy mba tsy ho hitan’ny masoko

dia any no hibaikoako ny menarana hanaikitra azy.

4Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony aza izy

dia any no hibaikoako ny sabatra hamono azy;

ary hampanandriniko azy ny masoko

hahatonga loza fa tsy soa aminy.

NY TOMPO no mitantana izao rehetra izao

5Ary NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

no mikasika ny tany dia miempo izy;

misaona ny mponina rehetra ao aminy;

misondrotra tahaka an’i Neily avokoa ireny rehetra ireny

ary mihena toy ny Neilin’i Ejipta indray izy;

6Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy,

sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany;

miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy

ka mandraraka azy amin’ny tany:

NY TOMPO no anarany.

Ny sazy ho an’ny meloka

7Moa tsy tahaka ny taranaky ny Kosita va ianareo Amiko ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO.

Tsy nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta va ny Israely,

ary avy tany Kaftora ny Filistina,

ary avy tany Kira ny Arameana?

8Indro, ny mason’NY TOMPO Andriamanitra

no manandrina ity fanjakana feno ota ity

ka hofongorako tsy ho eo ambonin’ny tany izy;

kanefa tsy dia hofongorako tanteraka

ny taranak’i Jakoba,

hoy NY TOMPO.

9Fa Indro, Izaho no mandidy,

koa hosivaniko amin’ny firenena rehetra ny taranak’Israely,

tahaka ny fanasivana vary amin’ny sivana;

kanefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ny tany na dia iray akory aza.

10Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ny oloko,

dia ireo izay milaza hoe:

Ny loza tsy hanakaiky

na hahatratra anay.

Hatsangan’Andriamanitra indray ny fanjakan’i Davida

11Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano bongon’i Davida izay efa nianjera,

hotampenako ny banga eo aminy;

hatsangako indray izay rava aminy

ka haoriko ho tahaka ny taloha indray izy

12mba handovany izay sisa amin’i Edoma

sy amin’ny firenena rehetra

hantsoina amin’ny anarako,

hoy NY TOMPO izay manatanteraka izany.

13Indro, avy ny andro,

hoy NY TOMPO,

izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja

ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy;

ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka

ary ny havoana rehetra hiempo.

14Dia hamerina ny Israely oloko indray Aho;

dia hanangana ny tanàna efa rava izy

ka honina ao,

hamboly voaloboka izy

ka hisotro ny divay avy aminy;

hamboatra saham-boankazo koa izy

ka hihinana ny vokatra avy aminy.

15Eny, hamboleko ao amin’ny taniny izy

ka tsy hongotana intsony amin’ny taniny

izay nomeko azy,

hoy NY TOMPO Andriamanitrao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help