Salamo 80 - Malagasy Bible Revision Version

Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely!Ho an’ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edot. Salamo nataon’i Asafa.

1Ry Mpiandry ny Israely ô, mihainoa,

Ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny andian’ondry!

Ianao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima,

misehoa ka mamirapirata!

2Fohazy ny herinao

eo anoloan’i Efraima sy i Benjamina ary i Manase

ka avia hamonjy anay!

3Andriamanitra ô, ampodio izahay!

Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay!

4RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô,

mandra-pahoviana no hanetroka amin’ny vavaka ataon’ny olonao ny fahatezeranao?

5Mampihinana azy mofo lenan-dranomaso Ianao

ary mampisotro azy ranomaso tovozina an-kapoaka.

6Ataonao antom-pifandirana amin’ny mifanila fonenana aminay izahay

ary ny fahavalonay dia mifaly handatsa.

7Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, ampodio izahay!

Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay!

8Nisy voaloboka nafindranao avy tany Ejipta;

nandroaka ny Jentilisa* Ianao ka namboly azy kosa.

9Nitevy teo alohany Ianao

dia namaka lalina izy ka nameno ny tany;

10nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony

ary nanaloka ny sederan’Andriamanitra ny sampany.

11Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ny ranomasina izy

ary ny sakeliny hatramin’ny ony Eofrata.

12Nahoana no noravanao ny fefiny

ka anotazan’izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?

13Ny lambo avy any an’ala dia mitrongy azy

ary izay bibidia any an-tsaha no mandany azy.

14Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, miverena!

Tsinjovy avy any an-danitra ka jereo!

Vangio ity voaloboka ity!

15Arovy izay nambolen’ny tananao ankavanana

sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.

16Voadotry ny afo izy sady voakapa;

fongotry ny fananaran’ny tavanao izy.

17Aoka ny tananao ho amin’ny lehilahy izay eo ankavananao,

dia amin’ny zanak’olombelona izay nampaherezinao ho Anao!

18Dia tsy hihemotra hiala Aminao izahay.

Velomy izahay dia hiantso ny anaranao.

19Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, ampodio izahay!

Ampamirapirato ny tavanao mba ho voavonjy izahay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help