Filipiana INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYAraka ny voalazan’ny boky Asan’ny Apostoly dia fahitana no nanosika an’i Paoly ho any Filipia, tamin’ny antson’ilay Makedoniana (Asa 16.9).I Filipia no tanàna eropeana voalohany nitoriany ny Filazantsara. Zanatany romana io tanàna io. Niaraka taminy tamin’izany i Timoty sy i Silasy.Tamin’ny fifatorany tao Roma tamin’ny 60–62 i Paoly no nanoratra ny epistily ho an’ny Filipiana.Ny votoatin’ny EpistilyNy epistily ho an’ny Filipiana dia anisan’ireo antsoina hoe Epistilin’ny Fifatorana, miaraka amin’ny Efesiana, Kolosiana ary Filemona.Akaikin’ny fon’i Paoly apostoly ny Fiangonana tany Filipia. Izy ihany no neken’i Paoly hanampy azy tamin’izay nilainy. Nanendry an’i Epafrodito ho mpitondra ny fanampiana ho an’i Paoly ny Filipiana.Noho io fifandraisana akaiky io dia tsy mahagaga raha toa ka voaresaka matetika ny fifaliana izay miverina inefatra amby folo ao amin’ity epistily ity. Tsy mampisalasala an’i Paoly ny milaza ny fihetseham-pony manokana, ny heviny ny amin’ny ho aviny, ny vaovao momba azy sy ireo olona akaiky azy ary indrindra ny fisaorany sy ny fankasitrahany ny Filipiana.Mananatra sy mampitandrina azy ireo amin’ny fampianaran-diso samihafa mety hanimba ny Fiangonana koa i Paoly. Izany moa dia avy amin’ireo mpitana ny fivavahana jiosy na ny jodaisma, ao koa ireo manao fampianarana ara-pahalalana sy ara-tsaina fotsiny, izay fiandohan’ny gnostisisma.Sarotra ny toerana nisy an’i Paoly noho izy any am-pifatorana; tsy nanakana azy hilaza fifaliana amin’ny Filipiana anefa izany. Mampirisika ny Filipiana hampiorina ny fanantenany ao amin’i Kristy koa i Paoly.Ny fizaran’ny EpistilyFiarahabana: 1.1-11I Paoly sy ny toe-javatra nihatra taminy: 1.12-26Ny fiainana ao amin’i Kristy: 1.27–2.18Fiaraha-miasa amin’i Timoty sy i Epafrodito: 2.19-30Fampitandremana ny amin’ny mpampianatra sandoka: 3.1–4.9I Paoly sy ny fifandraisany amin’ny Filipiana: 4.10-20Fanaovam-beloma: 4.21-23
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help