1Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo tamin’ny hazo akasia izy: Dimy hakiho* avy ny lafiny efatra, dia efamira izany; telo hakiho kosa ny haavony.
2Nanao ny tandrony teo amin’ny zorony efatra izy ka nataony miray aminy, dia nopetahany takelaka varahina ireo.
3Nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny, ny fandraofan-davenona, ny sotron’afony, ny loviany famafazana, ny fitrebiny ary ny fitondran’afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4Nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, eo ambanin’ny alitara hatreo amin’ny fisasahany izany.
5Dia nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ny bao.
6Nanao ny bao tamin’ny hazo akasia izy ka nopetahany takelaka varahina.
7Dia nampiditra ny bao teo amin’ny mason-drojo izay teo amin’ny lafiny roa amin’ny alitara izy hilanjana azy. Hazofisaka no narafiny ho alitara ka nataony poakaty.
8Ny koveta varahina sy ny faladiany varahina kosa no nataony tamin’ny fitaratra varahin’ireo vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*.
Ireo fefy lamba manodidina ny kianja9Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho* natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona
10ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
11Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
12Tamin’ny lafiny andrefana dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ka folo ny andriny ary folo ny faladiany; volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
13Ny lafiny atsinanana dia nataony dimampolo hakiho
14ka nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray, telo ny andriny ary telo ny faladiany.
15Nisy fefy lamba dimy amby folo hakiho tamin’ny ilany iray koa, telo ny andriny ary telo ny faladiany.
16Nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona avokoa ny fefy lamban’ny kianja manodidina.
17Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.
18Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.
19Efatra ny andriny, ary efatra ny faladiany varahina; ny fihantonany dia volafotsy; ny takelaka tamin’ny lohany sy ny farango hitohizany koa dia volafotsy.
20Ary ny tsatòkan-day amin’ny tabernakely* sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
Ny lanjan’ireo metaly nampiasaina21Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely*, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita*, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.
22Ary i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
23Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
24 Talenta* sivy amby roapolo ary sekela telopolo amby fitonjato, araka ny sekela masina, ny fitambaran’ny volamena lany tamin’ny asa rehetra tamin’ny fitoerana masina dia ny volamena izay natao fanatitra asandratra.
25Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina.
26Beka iray isan’olona; izany hoe antsasaky ny sekela iray araka ny sekela masina no naloan’izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia olona dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
27Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.
28Sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo no nanamboarany ny fihantonana tamin’ny andry sy nametahana takelaka tamin’ny lohany ary nanaovany ny farango hitohizany.
29Ny varahina izay natao fanatitra asandratra dia talenta fitopolo sy sekela efajato sy roa arivo.
30Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
31ny faladian’ny kianja manodidina, ary ny faladian’ny vavahadin’ny kianja, ny tsatòkan-dain’ny tabernakely ary ny tsatòkan-day rehetra momba ny kianja manodidina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.