Isaia 57 - Malagasy Bible Revision Version

1Maty ny marina

nefa tsy misy misaina izany;

alevina ny olona tsara fanahy

nefa tsy misy mihevitra,

fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.

2Miditra amin’ny fiadanana

ary mandry amin’ny fandrianany

izay olona mizotra amin’ny lalana mahitsy.

Mampitandrina ireo mpanompo sampy NY TOMPO

3Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ,

ry zanaky ny mpanandro,

ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga!

4Iza no ihomehezanareo?

Iza no isanasananareo vava

sy itrangatranganareo lela?

Tsy taranaky ny fikomiana va ianareo

sady taranaky ny lainga?

5Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy

eny ambanin’ny hazo maitso rehetra

ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka

eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.

6Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka

no anjaranao;

eny, ireny ihany no anjaranao;

Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina

sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo;

koa hahatsindry fo amin’izany va Aho?

7Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina

no nametrahanao ny fandriananao

ka teny no niakaranao

hamono zavatra natao fanatitra.

8Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana

no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao;

fa lavitra Ahy no nitanjahanao

sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka,

dia nanao fanekena tamin’ireny ianao;

tia ny mandry aminy ianao

ka mijery azy.

9Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo

ka nataonao betsaka ny zava-manitrao,

sady nandefa ny irakao hatrany lavitra any ianao,

ary nietry

hatrany amin’ny fitoeran’ny maty*.

10Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao,

nefa tsy niteny ianao hoe: Kivy aho izany!

Nahazo aina ihany ianao

ka tsy nahatsiaro reraka.

11Iza ary no nahìnao

sy natahoranao no dia nandainga ianao

ka tsy nahatsiaro Ahy

na nisaina akory?

Moa tsy efa nangina va Aho

hatrizay hatrizay?

Fa tsy matahotra Ahy ianao.

12Izaho no hanambara ny fahamarinanao;

ary ny asanao

dia tsy hahasoa anao.

13Raha mitaraina ianao

dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao,

nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo

ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza.

Fa izay mialoka Amiko kosa

no hanana ny tany

sy handova ny tendrombohitro masina.

Hanasitrana ny olony NY TOMPO

14Hilaza Izy hoe:

Mandehana; eny, mandehana

ka manamboara lalana,

esory izay mahatafintohina

eny amin’ny alehan’ny oloko!

15Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina

izay monina mandrakizay,

Masina no anarany:

Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako,

ary ao amin’ny torotoro fo

sy ny manetry tena,

mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena

sy hamelombelona ny fo torotoro.

16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho

ary tsy ho tezitra mandrakizay,

fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy,

dia ny fofonaina izay nataoko.

17Ny helony noho ny fitiavany harena

no nahatezitra Ahy

ka namelezako azy;

fa niery Aho satria tezitra,

nefa nikomy izy ka mbola nandroso

tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.

18Efa nahita ny lalany Aho

nefa hahasitrana azy ihany,

dia hitari-dalana azy Aho

ka hampody ny fiononana ho aminy

sy ho amin’ny malahelo ao aminy.

19Izaho no mahary ny vokatry ny molotra.

Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra

sy ho an’izay akaiky,

hoy NY TOMPO!

Hahasitrana azy Aho!

20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara;

eny, tsy mety tafatoetra izy

ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.

21Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy,

hoy Andriamanitro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help