1Raha fanati-pihavanana no atolony, ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan’NY TOMPO.
2Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ra manodidina ny alitara.
3Dia hakan’ny mpisorona ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
4ny voany roa, ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanalany izany.
5Ary ireo zanak’i Arona dia handoro an’ireo ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo izay eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.
6Raha ondry na osy no atolony ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hatolony.
7Raha ondry no atolony ho fanatitra dia hoentiny eo anatrehan’NY TOMPO izany.
8Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatiny izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hofafazan’ireo zanak’i Arona ra ny manodidina ny alitara.
9Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy,
10ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay rehetra eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fanesorany izany.
11Ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; hanina avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
12Ary raha osy no fanatiny dia hatolony azy eo anatrehan’NY TOMPO izany.
13Hametraka ny tanany eo amin’ny lohany izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hamafy ra manodidina ny alitara ireo zanak’i Arona.
14Avy amin’io no hanaterany ny fanatiny atao amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra, ny jaboran-tsinainy,
15ny voany roa mbamin’ny jabora mandrakotra azy, izay eo amin’ny takibany ary ny ila atiny lehibe. Hataony indray manala amin’ny voany no fakany ireny.
16Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ny alitara; sakafo avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana izany fa an’NY TOMPO ny jabora rehetra.
17Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; eny amin’izay rehetra itoeranareo dia tsy hihinana jabora na ra akory ianareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.