Salamo 123 - Malagasy Bible Revision Version

Ny fanantenan’ireo natao tsinontsinonaHira fanao amin’ny fiakarana.

1Aminao no anandratako ny masoko,

ry Ilay mitoetra any an-danitra.

2Indro, toy ny fijerin’ny mpanompolahy

ny tanan’ny tompolahiny,

ary toy ny fijerin’ny mpanompovavy

ny tanan’ny tompovaviny,

no fijerintsika NY TOMPO Andriamanitsika,

mandra-pamindrany fo amintsika.

3Mamindrà fo aminay, TOMPO ô, mamindrà fo aminay,

fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4eny, tototra loatra izahay,

dia ny famingavingan’ny miadana

sy ny fanamavoan’ny mpiavonavona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help