Salamo 146 - Malagasy Bible Revision Version

Mpiaro ny reraka NY TOMPO

1 Haleloia*.

Miderà NY TOMPO, ry fanahiko!

2Hidera NY TOMPO aho raha mbola miaina koa;

eny, hankalaza an’Andriamanitro aho

raha mbola velona koa.

3Aza matoky ny mpanapaka,

na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.

4Miala ny fofonainy ka miverina ho amin’ny tany izy

ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.

5Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy

sady manantena NY TOMPO Andriamaniny

6izay nanao ny lanitra sy ny tany,

ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny;

izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;

7izay manome rariny ho an’ny ampahorina;

izay manome hanina ho an’ny noana.

NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;

8NY TOMPO no mampahiratra ny jamba;

NY TOMPO no mampitraka ny mitanondrika;

NY TOMPO no tia ny marina;

9NY TOMPO no miaro ny vahiny

ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena

fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.

10NY TOMPO no manjaka mandrakizay,

ho an’ny taranaka fara aman-dimby ny Andriamanitrao ry Ziona*.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help