Zefania 1 - Malagasy Bible Revision Version

1Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona mpanjakan’ny Joda:

Ny hamalian’Andriamanitra ny firenena rehetra

2Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany tokoa ny zavatra rehetra,

hoy NY TOMPO;

3eny, haringako ny olona sy ny biby;

haringako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina

ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy;

haringako tsy ho eo amin’ny tany ny olona,

hoy NY TOMPO.

Ny hamalian’Andriamanitra ny Joda sy i Jerosalema

4Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda

sy ny mponina rehetra any Jerosalema;

dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala*

sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona

5ary izay mivavaka any an-tampon-trano* amin’izay eny amin’ny lanitra

sy izay miankohoka sy mianiana fa an’NY TOMPO

nefa koa mianiana amin’i Milkoma,

6mbamin’izay nihemotra niala tamin’NY TOMPO

sy izay tsy nitady NY TOMPO na nila hevitra taminy.

7Mangina eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra!

Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO;

ary NY TOMPO efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra

ka efa nanamasina ny olona nasainy.

8Ary raha tonga amin’ny andro hamonoan’NY TOMPO zavatra hatao fanatitra

dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka,

mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.

9Amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana,

dia ireo mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny Tompony.

10Amin’izany andro izany,

hoy NY TOMPO,

dia hisy feo re mitaraina avy any amin’ny Vavahadin-kazandrano

sy fidradradradrana avy ao amin’ny Tanàna ambany

ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana.

11Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy!

Fa ringana avokoa ny mpivaro-mandeha rehetra;

eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.

12Amin’izany andro izany

dia hotsiloviko amin’ny jiro i Jerosalema,

koa hovaliako ny olona

izay efa lefy toy ny divay misy faikany,

dia izay miteny anakampo hoe:

Sady tsy hanao soa NY TOMPO no tsy hanao ratsy.

13Ho tonga babo ny fananan’ireny

ary ho lao ny tranony;

hanao trano izy

nefa tsy hitoetra ao;

hamboly voaloboka izy

nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Ny Andron’NY TOMPO

14Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO;

eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra.

Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO,

mitomany mafy any ny lehilahy mahery.

15Andron’ny fahatezerana izany andro izany,

andron’ny fahoriana sy tebiteby,

andron’ny fandringanana sy fandravana,

andro maizina sy manjombona,

andro mandrahona sy maizim-pito.

16Andron’ny feon’ny anjomara sy ny horakoraka,

hamelezana ny tanàna mimanda

sy ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda.

17Hampahory ny olona Aho:

Handeha toy ny jamba izy

satria efa nanota tamin’NY TOMPO;

haely toy ny vovoka ny rany,

ary ho toy ny fako ny fatiny.

18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy

amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO;

fa ny afon’ny fahasaro-piarony

no handevonany ny tany rehetra;

fa fahafonganana tena mahatsiravina

no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help