Ohabolana 23 - Malagasy Bible Revision Version

1Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka ianao

dia hevero tsara izay eo anoloanao

2ka ambeno amin’ny antsy ny tendanao

raha dia mazoto homana loatra ianao.

3Aza mitsiriritra ny hanim-piny

fa hani-mamitaka izany.

4Aza manasa-tena hanankarena;

aza entina amin’izany ny fahendrenao.

5Ampanarahanao ny harena va ny masonao

nefa tsy eo intsony izy?

Fa maniry elatra tokoa izy

ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra!

6Aza homana ny mofon’izay ratsy fijery

ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;

7fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany.

Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa;

kanjo tsy sitrany akory ianao.

8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao

ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.

9Aza miteny ao an-tsofin’ny adala,

fa hohamavoiny foana ny fahendren’ny teninao.

10Aza manakisaka ny fanamarihana zaratany efa teo hatry ny ela,

ary aza miditra ao amin’ny sahan’ny kamboty,

11fa mahery ny Mpanavotra azy,

Izy no hisolo vava azy amin’ny adiny aminao.

Torohevitra hafa koa

12Atodiho hanaiky ny fananarana ny fonao

ary amin’ny tenim-pahalalana ny sofinao.

13Aza matahotra mananatra ny zanaka,

fa tsy ho faty izy tsy akory na dia kapohinao amin’ny hazo aza.

14Raha mamely azy amin’ny hazo ianao

dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fitoeran’ny maty* izy.

15Anaka, raha hendry ny fonao

dia ho faly koa ny foko;

16eny, ho ravoravo ato anatiko tokoa aho

raha milaza izay mahitsy ny molotrao.

17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao,

fa matahora NY TOMPO mandritra ny andro;

18fa mbola misy ny ho avy

ka tsy ho foana ny fanantenanao.

19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre

ary ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao.

20Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay

sy izay fatra-pitia hena;

21fa hahantra izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena,

ary ny fitiavan-torimaso dia mampitafy vorodamba.

22Maneke ny rainao izay niteraka anao

ary aza manamavo ny reninao na dia efa antitra aza izy.

23Vidio ny marina fa aza amidy,

dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.

24Feno fifaliana ny rain’ny olo-marina

ary izay miteraka zaza hendry dia manam-pifaliana aminy!

25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao;

eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao!

26Anaka, atolory ahy ny fonao,

ary aoka ny masonao hifaly amin’ny lalako.

27Fa ny vehivavy janga dia hady lalina

ary ny vehivavy jejo dia lava-drano ety;

28eny, manao vela-pandrika toy ny jiolahy ireny

ary mahamaro ny olona mpivadika.

Ny mpimamo

29An’iza ny Indrisy? An’iza ny Loza?

An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana?

An’iza ny ratra tsy amin’antony?

An’iza ny maso mivoaramena?

30An’izay mandany andro eo amin’ny divay,

eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.

31Aza mijery ny divay noho ny hamenany,

sy ny fanganohanony ao anaty vera,

ary ny fikoriany mahafinaritra;

32fa any aoriana any dia hanaikitra toy ny bibilava izy

ary hanindrona toy ny menarana.

33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo

ary ny fonao hirediredy foana.

34Eny, ho sahala amin’izay mandry ao anaty ranomasina ianao

sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.

35Voakapoka aho, hoy ianao, nefa tsy reko naharary ahy!

Voadaroka aho, nefa tsy tsaroako izany!

Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako divay indray?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help