Zefania INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version
INDRAY MIJERYIsan’ny Mpaminany madinika roa amby folo i Zefania. Taranak’i Hezekia mpanjaka izy, ary zanak’i Kosy, izay mety midika koa fa Etiopiana izy. Nahafantatra tsara ny faritra maro tao Jerosalema sy ny mponina tao izy ary sahy miteny mivantana ny mpitondra tao.Ny fotoana niasany dia tamin’ny fotoana nanjakan’i Josia mpanjaka fony izy io mbola kely, izany hoe: Fotoana ela talohan’ilay fanitsiam-pivavahana nataony, izay voalaza ao amin’ny 2Mpa 22–23 sy ny 2Tan 34–35.Ny votoatin’ny BokyNy fanambaràna ny Andron’NY TOMPO, izay ho andro fitsarana sady famonjena, no votoatin’ny Bokin’i Zefania. Hiseho amin’ny fomba samihafa izany fidiran’Andriamanitra an-tsehatra izany. Hitsara ny mponina ao Joda sy Jerosalema Izy ka ireo tomponandraikitra ao amin’ny firenena izany no meloka voalohany eo anatrehan’Andriamanitra. Handrava ireo firenena mifanolotra amin’i Joda koa Izy ary hanangana indray an’i Jerosalema rehefa avy namongotra ny ratsy tao anatiny ka mponina mahantra sy manetry tena no sisa ao, ary avy amin’ireo no hisehoan’ny taranaka vaovao.Ny firafitry ny BokyFampitandremana an’i Joda sy i Jerosalema: 1.2-6Ny Andron’NY TOMPO: 1.7–2.3Didim-pitsarana amelezana ny firenena vahiny: 2.4-15Fampitandremana an’i Jerosalema: 3.1-8Teny fampanantenana famonjena: 3.9-20