Salamo 91 - Malagasy Bible Revision Version

Ao ambanin’ny fiarovan’ny Avo Indrindra

1Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra

dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.

2Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy,

Andriamanitro izay itokiako!

3Fa Izy no hanafaka anao

amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

4Ny volon’elany no hanaronany anao

ary ao ambanin’ny elany no hialofanao;

Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

5Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao,

na ny zana-tsipìka manidina nony andro,

6na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina,

na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.

7Na dia hisy arivo lahy aza no lavo eo anilanao

sy iray alina eo ankavananao

dia tsy hihatra aminao izany.

8Hijery amin’ny masonao fotsiny ianao

ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.

9Satria hoy ianao: TOMPO ô, Ianao no aroko!

Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,

10dia tsy hisy loza hanjo anao,

na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao.

11Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao

mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao;

12Eny an-tanany no hitondran’ireo anao,

fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

13Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao,

ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao.

14Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra;

hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy.

15Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho;

ho eo aminy Aho raha ory izy;

hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

16Hovokisako fahelavelona izy

ary hasehoko azy ny famonjeko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help