Nomery INDRAY MIJERY - Malagasy Bible Revision Version

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy hoe Nomery dia midika hoe Isa, ary izany dia noho ireo fanisana roa lehibe natao tao amin’ny Zanak’Israely. Ny anarany ao amin’ny Baiboly hebreo dia hoe Tany an-tany efitra, ary izany indray dia tandrify ny boky manontolo, izay mitantara ny 40 taona tany an-tany efitra.Ny Boky dia mitantara ny dian’ny Zanak’Israely ho any Kanana, niainga avy tao Sinay, mandra-pahatongany any Moaba, eo ampitan’i Jordana. Izany fotoana izany anefa dia nahitan’ny Israely fisedrana maro noho ny ditrany sy ny fisalasalany ny amin’ny fitondran’Andriamanitra. Matetika dia nikomy tamin’ireo mpitondra izy, ary tamin’Andriamanitra koa aza. Noho ny tsy finoany dia nirenireny 40 taona tany an-tany efitra izy. Nisy fanisana talohan’ny 40 taona, ary nisy iray hafa taorianan’izany ka ireo taranaka voaisa tamin’ny fanisana faharoa no ho tafiditra any Kanana. Na dia tao aza ny ditran’ny Israely, Andriamanitra dia nanatanteraka ny fikasany tamin’ireo taranaka vaovao ireo.Ny firafitry ny BokyAo Sinay: Fanomanana ny dia sy fanisana: 1.1–10.10An-dalana ho any Moaba: 10.11–21.9Ny fandraisana ny tany any andafin’i Jordana: 21.10–36.13
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help