Isaia 10 - Malagasy Bible Revision Version

1Lozan’izay mamoaka lalàna mampidi-doza

sady mampanoratra didy fampahoriana

2mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana

sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko,

handrobany ny mpitondratena

sy hamaboany ny kamboty!

3Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana,

rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana?

Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo?

Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo?

4Tsy misy azo atao afa-tsy mihohoka miaraka amin’ny mpifatotra

sy mianjera miaraka amin’ny voavono.

Kanefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany

fa mbola miainga ihany ny tanany.

Loza ho an’i Asiria sy ny mpanjakany

5Lozan’i Asiria,

tsorakazon’ny fahatezerako!

Eny, tehina eny an-tanany

ny fahavinirako!

6Hamely firenena ratsy fanahy no anirahako azy,

ary hamely ny olona izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy,

mba hamabo sy handroba

ka hanitsakitsaka azy tahaka ny fotaka eny an-dalambe.

7Kanjo tsy izany no kasainy,

ary tsy izay no heverin’ny fony;

fa ny handringana no ao am-pony,

hamongotra firenena maro.

8Fa hoy izy:

Tsy mpanjaka avokoa va ireny governora ambany fahefako ireny?

9Tsy tahaka an’i Karkemisy va i Kalno?

Tsy tahaka an’i Arpada va i Hamata?

Ary tsy tahaka an’i Damaskosy va i Samaria?

10Tahaka ny nahatraran’ny tanako ny fanjakan’ny andriamanitra tsy izy

na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sarin-javatra voasokitra ao aminy,

11moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va

no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?

12Kanefa rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao amin’ny tendrombohitra Ziona* sy i Jerosalema dia hovaliako kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asiria sy ny fireharehan’ny masony miandranandrana.

13Satria hoy izy:

Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany,

tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho;

nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho

sady namabo ny harenany,

ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka.

14Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena;

ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny

no namoriako ny any amin’ny tany rehetra:

Tsy nisy nikopaka elatra,

na nisoka-bava na nikiakiaka.

15Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy?

Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy?

Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy,

ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo!

16Koa izany no handefasan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

fahiazana amin’ny tremalahiny.

Ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra

toy ny firehitry ny afo.

17Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely

ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny

ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny

amin’ny indray andro monja;

18ary holevoniny tanteraka

ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra.

Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany.

19Ho vitsy ny hazo sisa any an’alany

ka na zazakely aza dia hahasoratra ny isany.

Hisy sisa hiverina

20Amin’izany andro izany, ny Israely sisa izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; fa NY TOMPO, Iray Masin’ny Israely, ihany no hiankinany marina tokoa.

21Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra mahery.

22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olonao dia izay sisa aminy ihany no hiverina. Efa tapa-kevitra ny handringana ny Tompo ka hampihatra ny famaliana marina.

23Eny, tapaka fa haringan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ny tany manontolo.

Hamaly an’i Asiria NY TOMPO

24Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona*, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta.

25Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana.

26Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta.

27Ary amin’izany andro izany

dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany,

ho afaka amin’ny vozonao ny bao fitondrana entany,

ho simba ny bao fitondrana entany noho ny fihatavezanao.

Ady vetivety manodidina an’i Jerosalema

28Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona

ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

29Mandalo ao an-kadilanana izy.

Ao Geba isika no handry! Hoy izy.

Mangovitra i Rama,

mandositra i Gibean’i Saoly.

30Mikiakiaha mafy, ry Bata-Galima!

Mampandria sofina, ry Laisy!

Indrisy, ry Anatota mahantra!

31Lasa mandositra i Madmena,

mitady fierena ny mponina any Gebima.

32Mbola mijanona any Noba izy anio

ary manofahofa ny tanany

manambana ny tendrombohitr’i Ziona* zanakavavy,

dia ny havoanan’i Jerosalema.

Nokapaina ilay ala mahery

33Indro, manapaka ny rantsany madinika amin-kery lehibe

NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:

Izay mijoalajoala no voakapa

ary izay tena avo no aetry;

34Kapainy amin’ny vy ny ala mikirindro

ary i Libanona dia alamaky ny Iray Mahery.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help