Salamo 137 - Malagasy Bible Revision Version

Teo amoron’ny onin’i Babilona

1Teo amoron’ny onin’i Babilona

no nipetrahanay sady nitomanianay

raha nahatsiaro an’i Ziona* izahay.

2Teo amin’ny hazomalahelo teo afovoan’i Babilona

no nanantonanay ny lokanganay.

3Fa teo dia nangataka anay hihira ny mpamabo anay

ary ny mpampahory anay dia nangataka anay hanao fifaliana ka niteny hoe:

Manaova hiran’i Ziona eto anatrehanay.

4Nefa ho nataontsika ahoana ny ho fihira ny hiran’NY TOMPO

tany an-tany fivahinianana?

5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,

dia aoka ny tanako havanana mba hanadino.

6Raha tsy mahatsiaro anao aho

dia aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko,

raha tsy Jerosalema no ataoko ambony

indrindra amin’ny fifaliako rehetra.

7TOMPO ô, tsarovy amin’ny taranak’i Edoma

ny andron’i Jerosalema,

dia ireo izay nilaza hoe: Ravao, ravao izy

hatramin’ny fanorenany.

8Ry Babilona zanakavavy izay an-dalana ho rava,

sambatra izay mamaly anao

araka izay nataonao taminay.

9Sambatra izay maka ny zanakao madinika

ka manjera azy ho torotoro amin’ny harambato.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help