Zakaria 11 - Malagasy Bible Revision Version

Voarodana ireo firenen-dehibe matanjaka

1Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô,

handevonan’ny afo ny sederanao!

2Midradradradrà, ry hazo kipreso,

fa nianjera ny sedera!

Eny, fongotra ireo avo be!

Midradradradrà, ianareo oaka any Basana

fa ripaka ny ala mikirindro!

3Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry

fa rava ny voninahiny;

Injany ny fieron’ny liona tanora

fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.

Ny mpiandry tsara sy ny mpiandry adala

4Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitro: Andraso ny ondry izay entina hovonoina!

5Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy.

6Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy NY TOMPO. Fa indro, Izaho hanolotra ny olona samy ho eo an-tanan’ny namany avy ary samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; hanapotika ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka azy amin’ny tanany Aho.

7Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry.

8Ary nandringana ny mpiandry ondry telo tamin’ny iray volana aho fa tsy nahatsindry fo taminy intsony sady tofoka ahy koa ireo.

9Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho! Izay ho faty dia aoka ho faty ary izay ho ringana dia aoka ho ringana ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy!

10Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra.

11Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, koa fantatry ny mpivarotra izay niambina ahy fa tenin’NY TOMPO izany.

12Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.

13Ary hoy NY TOMPO tamiko: Atsipazo any amin’ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekela volafotsy telopolo ka natsipiko tany amin’ny mpanefy tanimanga tao amin’ny tranon’NY TOMPO.

14Dia notapahiko koa ilay tehiko Fikambanana mba hanafoanako ny firahalahian’i Joda sy Israely.

15Ary hoy NY TOMPO tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ny mpiandry ondry adala.

16Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.

17Lozan’ny mpiandry ondry tsy mahomby,

izay mandao ny ondry!

Ny sabatra no hamely ny sandriny

sy ny masony havanana!

Halazo tokoa ny sandriny

ary ho pahina tokoa ny masony havanana!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help