Mika 5 - Malagasy Bible Revision Version

Betlehema, tanànan’ny mpanjaka mpamonjy

1Fa ianao, ry Betlehema Efrata,

izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory,

avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely;

hatry ny fahagola no niaviany,

dia hatrizay hatrizay.

2Koa hatolony ireny

ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka;

ary izay sisa amin’ny rahalahiny

dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely.

3Hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’NY TOMPO

sy amin’ny voninahitry ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny

ka handry fehizay ireny,

fa hatramin’izao Izy dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany.

4Ary Izy no ho fiadanana.

Raha tonga eto amin’ny tanintsika ny Asiriana

ka miditra ao amin’ny tranobentsika

dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.

5Handany ny tany Asiria amin’ny sabatra

sy ny tanin’i Nimroda ao an-tanànany ireo.

Ary Izy hanafaka antsika amin’ny Asiriana,

raha tonga amin’ny tanintsika ireny ka hanitsaka ato amin’ny faritanintsika.

Ny sisa amin’ny Israely any amin’ny firenena maro

6Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro

dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO,

tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra,

izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona,

na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona.

7Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa*,

any amin’ny firenena maro,

dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala

sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy:

Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira

nefa tsy misy manafaka.

8Aoka ny tananao hiainga hamely ny rafilahinao

ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

Hofoanan’NY TOMPO ny andry tsy izy rehetra

9Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO,

dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao

ary hofonganiko ny kalesy fitondranao miady;

10hofoanako ny tanàna amin’ny taninao

ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;

11hofoanako tsy hisy amin’ny tananao ny fanandroanao

ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.

12Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra

sy ny tsangambaton-tsampinao

ka tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tananao intsony ianao.

13Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao

ary horavako koa ny tanànanao.

14Ary amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena

izay tsy mihaino.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help