1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2Ry zanak’olona*, lazao amin’ny mpanapaka an’i Tiro hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria miavonavona ny fonao ka hoy ianao hoe: Mba andriamanitra koa aho; eto amin’ny fitoeran’ny andriamanitra no ipetrahako, eto ampovoan’ny ranomasina! Nefa olona ihany ianao fa tsy andriamanitra tsinona. Na dia noheverinao ho toy ny fon’ny andriamanitra aza ny fonao,
3Hay! Hendry noho i Daniela ianao! Tsy misy zavamiafina azo afenina aminao!
4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao harena. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ny trano fitahirizanao.
5Ny haben’ny fahendrenao tamin’ny varotrao no nampitomboanao ny harenanao ka miavonavona ny fonao noho ny harenanao.
6Koa indro, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria efa noheverinao ho toy ny fon’andriamanitra ny fonao,
7dia indro, hitondra olona hafa firenena hamely anao Aho, dia izay masiaka indrindra amin’ny firenena, koa hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao.
8Havariny ho any an-davaka ianao ka ho faty toy ny fahafatesan’izay voatrabaka ao amin’ny ranomasina.
9Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’izay mamono anao hoe: Mba andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy andriamanitra tsinona, rehefa eo an-tanan’izay manatrabaka anao
10Tahaka ny fahafatesan’ny tsy voafora no hahafatesanao amin’ny tanan’ny fahavalo. Fa Izaho no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
11Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
12Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’ny mpanjakan’i Tiro ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ry ilay nanao ny rafitra tonga lafatra sy fakan-tahaka, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
13tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao; ny vatosoa rehetra, ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny oniksa, ny krizolita, ny berila, ny jaspy, ny safira, ny robisy, ny emeraoda ary ny volamena izay nandravaka ny ampongatapakao sy ny sodinao, tamin’ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.
14Ianao dia kerobima* voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; tao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra ianao; teo amin’ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ny nalehanao, hatramin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao ka nanota ianao; dia nolotoiko ianao ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. Nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, ka tsy eo amin’ny vato mirehitra intsony.
17Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; nosimbanao ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao; nazerako eny amin’ny tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka.
18Noho ny haben’ny helokao tamin’ny tsy fahamarinan’ny varotrao dia voalotonao ny fitoeranao masina; koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ny tany ianao eo imason’izay rehetra mijery anao.
19Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; ho tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay!
Faminaniana ny amin’i Sidona20Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
21Ry zanak’olona*, manandrifia an’i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy
22ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Sidona! Ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin’ny ataoko aminy.
23Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny rehetra eny; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Handry fehizay ny Israely24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ny taranak’Israely, avy amin’ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
25Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:
Rehefa angoniko avy any amin’ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’Israely dia hiseho ho masina eo imason’ny firenena Aho amin’ny ataoko aminy ka honina any amin’ny taniny izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy.
26Dia handry fehizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fehizay izy amin’ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.