Habakoka 3 - Malagasy Bible Revision Version

Ny vavaka nataon’i Habakoka sy ny firotsahan’Andriamanitra an-tsehatra

1Ny vavaka nataon’i Habakoka mpaminany,

araka ny fomban’ny fitarainana.

2TOMPO ô, efa reko ny filazana momba Anao

ka raiki-tahotra aho, RY TOMPO.

Tanteraho amin’ny fotoanany ny asanao;

ataovy fantatra amin’ny fotoanany izany!

Na dia tezitra aza Ianao dia tsarovy ny indrafonao!

3Tonga avy any Temana Andriamanitra,

dia ny Iray masina avy any an-tendrombohitra Parana. Fiatoana

Manarona ny lanitra ny voninahiny

ary manenika ny tany ny fiderana Azy.

4Misy famirapiratana toy ny mazava

ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tanany;

ao no fieren’ny heriny!

5Eo alohany no andehanan’ny areti-mandringana

ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aorianany.

6Mijanona Izy ka manozongozona ny tany;

mijery Izy ka mampangovitra ny firenena.

Torotoro ny tendrombohitra mandrakizay,

mietry ny havoana fahagola

sy ny lalana tranainy falehany.

7Mahita ny tranolain’i Kosana azom-pahoriana

sy ny ambaindain’ny tany Midiana mipararetra aho.

8Moa amin’ny ony va no irehetan’ny hatezeran’NY TOMPO?

Amin’ny ony va no fahatezeranao,

na amin’ny ranomasina va no ahasosoranao,

no dia mitaingina ny soavalinao

sy ny kalesim-pandresenao Ianao?

9Nalan-tsarona ny tsipìkanao;

ny fianiananao no tsipìkan’ny teninao. Fiatoana

Nampitresaka ny tany Ianao mba hisy ony.

10Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra;

mirotsaka ny ranonorana mivatravatra,

miloa-peo ny lalina*

sady manangan-tanana ho amin’ny avo.

11Ny masoandro sy ny volana dia nijanona teo amin’ny toerany,

noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka

sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.

12Amin’ny fahatezeranao no itetezanao ny tany;

amin’ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.

13Mivoaka hamonjy ny olonao Ianao,

hamonjy ny Voahosotrao.

Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ny ratsy fanahy

ka rava hatrany am-potony ka hatrany an-tampony. Fiatoana

14Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ireo miaramilany betsaka

izay avy toy ny tadio hanely ahy;

sady mifaly

handripaka ny mahantra ao amin’ny mangingina izy.

15Mitety ny ranomasina amin’ny soavalinao Ianao,

dia eny amin’ny ranobe miavovona.

16Nony nandre aho

dia mandevilevy ny ato anatiko;

ny molotro dia mipararetra noho ny feo;

azon’ny fahalovana ny taolako

ary mangovitra tsy afa-mihetsika aho

eo am-piandrasana ny andro fahoriana,

izay hiakaran’ny mpiantafika hamely ny olona.

17Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy

ary tsy misy voany ny voaloboka,

na dia mandiso fanantenana aza ny oliva

ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,

na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala

ary tsy misy omby ao am-pahitra,

18izaho kosa dia mbola hiravoravo amin’NY TOMPO ihany

sy hihoby amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.

19NY TOMPO Andriamanitra no tanjako,

manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy

ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.

Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help